Lany andro mifanasa vangy!

Henjakenjana ny karazana


  • Talata 14 Aprily 2026

fifamaliana bontana ara-politika tato ho ato.

Miditra an-tsehatra hatramin’ny mpitondra farantampony, filohana andrim-panjakana,… Midika izany fa mafana ny politika, izay arahina trangan-javatra hafahafa toy ny filazana tsy fahitana tanora mpanao fitakiana ka asa hoe : tranga iniana volena hisintonana saim-bahoaka sa tena taratry ny toe-draharaha mangotraka ? Lafin-javatra iray ireny, fa ny tena iankinan’ny aim-bahoaka ihany koa mbola mandindona eo hatrany ny ambana, na koa ny efa toe-javatra mihatra. Iarahana miaina ny toe-draharaha eran-tany izay manomboka mipaka any amin’ny ativilanin’ny Malagasy, toy ny resaka solika, izay ahiana ny ho fiakarany atsy ho atsy. Efa vonona ny amin’izany ve isika Malagasy na ny mpitondra na ny entina sa sanatria variana amin’ny adin’akoholahy ka adino ny adin’ombalahy ? Mbola manam-potoana holaniana amin’ny fifaminganana ara-politika sy hifanasa vangy amin’ny tsy dia manao ahoana isika sa mba tena hametraka ny lamina mazava sy maty paika hoenti-manavotra ny Firenena hiala eo ambany vahoan’ny fahantrana ? Mbola hifanenjan-tsandry sy hifanome lesona lava eto rehefa ny tombotsoa politika no mibaika fa hinia jamba sy marenina hatrany rehefa misy marary ny vahoaka ? Dia ireny miharihary ireny ny hoe : vola efa hatrany amin’ny 4000 miliara Ar nanjavona, nisy rafitra sy andrim-panjakana tokony hanara-maso ny fahefana mpanatanteraka fa dia samy ninia nikipy teo, samy nikepoka ny azony,… hany tonga amin’ilay fomba fiteny hoe : lasa ny alika vao manangom-bato. Andaniny, sao mba manao alahelon-kanina, na ampisain’ireo tsy maty voalavo an-kibo ihany koa ireo miezaka manozongozona hany ka mbola ny tombotsoa manokana sy izay hihinanana no maika, lafihana saritsarim-pitakiana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT