64 taona lasa izay no nitrangan’ny tolon’ny Tia Tanindrazana ho famerenana ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena malagasy. Na ireo boky nosoratan’ny mpahay sy mpandinika ny tantara, na ireo arsivan-gazety taloha na ny lovantsofina dia samy nampita fa mafy ny tolona tamin’ny 1947, sy ny tao aloha ary ny taorian’izany, na teto afovoan-tany io na tany anindran-tany. Tsy nisy mihitsy ny indrafo tamin’ny mpanjanaka sy ny miaramila senegaley nampiasainy hampitahotra sy handripaka ny Malagasy. Samy manana ny filazany azy momba ny raharaha 1947 moa ny mpahay tantara sy ny mpandinika ary ireo niaina mivantana izany. 64 taona aty aoriana, tena nisy ny Malagasy tia tanindrazana ka nahafoy ny ainy sy ny fananany ho an’ny fahafahana sy ny tena fahaleovantena. Nisy ny Malagasy nivarotra tanindrazana sy namitaka ny mpiray tanindrazana taminy ka niray tsikombakomba tamin’ny vazaha ho fanapotehana ny tolon’ny maherifo.
Nanana ny anjara toerany goavana teo amin’ny tantaram-pirenena ny praiministra Rainilaiarivony, satria izy no nanasonia ilay fifanarahana tamin’ny 1886 niaraka tamin’ny Frantsay ary nilaza mazava fa atao «Protectorat nominal» i Madagasikara, izany hoe teratany malagasy ny praiministra dia Rainilaiarivony izany sy ny minisitra hafa rehetra, fa tsy maintsy ny Frantsay kosa no mitantana ny ministeran’ny raharaham-bahiny sy miandraikitra ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ary mandalo amin’ny tompon’andraikitra Frantsay sy miresaka aminy aloha izay masoivoho vahiny maniry ny hiara-kiasa amin’i Madagasikara izay vao mihaona amin’ny praiministra Rainilaiarivony. Tsy neken’ity farany anefa izany ka nikorontana ny zava-drehetra ary raikitra indray ny ady. Araka ny nambaran’ny Malagasy mpampianatra tantara iray dia adin’ny Merina sy ny Frantsay no nisy teto Antananarivo tamin’izany fotoana, io ilay nantsoina hoe : «guerre Franco-Hova ». Taorian’izany dia nankahala sy lasa tsy nifankahazo tsara tamin’ny Merina, na ny olona avy eto anivon-tany izay nambara fa fetsy sy efa mahay politika ny Frantsay, ary izay no nahatonga ny hoe olona avy any anindran-tany hatrany no voafidy ho filohan’ny Repoblika teto Madagasikara, araka ny nambaran’ny mpahay tantara ihany. Tsy kisendrasendra izany fa efa lamina maty paika napetraky ny Frantsay.
Taty amin’ny Repoblika fahatelo tapany faharoa vao nisy olona avy eto anivon-tany voafidy ho filohan’ny Repoblika, dia i Marc Ravalomanana io, dia efa niaraha-nahalala ihany ny tsy nifankahazoany tamin’ny Frantsay, ary ankehitriny dia sarotra ihany koa ny raharaha, miovaova hevitra isaky ny mihetsika ny Frantsay ary tsy fantatra intsony izay tiany hatao, satria olona avy eto Imerina no filohan’ny tetezamita. Tantara tsy fanadino izany rehetra izany. Ilaina ny mandray lesona avy amin’ny tantara, tsy sanatria maty akory ny afom-pitiavan-tanindrazana, saingy hafa dia hafa mihitsy ny endriky ny tolona misy ankehitriny. Mbola samy eo daholo na ny mpanjanaka, na ny bolokim-bazaha, na ny mpamadika tanindrazana, na ireo mpanao politika tia tena, na ireo olom-pirenena tsotra tsy miraharaha izany resaka politika sy fitiavan-tanindrazana izany fa rehefa misy harapaka isan’andro aloha dia izay no mandry ny sainy, ao koa ireo manara-drenirano fotsiny ka izay tonga eo dia ekeny sy ataony Tompoko avokoa. Fa mbola misy koa ny tena Tia Tanindrazana ary vonona ny hirojo hatramin’ny farany ho an’ny tombontsoa iombonana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.