Edito

Tetezamitan’ny fanilihana ?


  • Alakamisy 03 Febroary 2011


Ireo ankolafy politika miara-dia amin’i Andry Rajoelina ihany no tena resy lahatra amin’ilay sori-dalan’ny SADC, mitsipaka tanteraka an’io ny ankolafy Ravalomanana, ary tsy mifanalavitra amin’izay ihany koa ny hevitry ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert. Hita ho malina sy fetsifetsy kosa ny Escopol ka mitandrina amin’ny fanapahan-keviny ary mbola nampiantso fivoriambe mihitsy aloha, dia ho hita eo ihany ny mety ho tohiny. Azo tarafina avy amin’izany fa mbola mitoetra ny tsy fifankahazoan-kevitra ary tsy mbola mivaha ny krizy, tsy mety hita ny marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy politika, ary miovaova be ny toe-draharaha. Noheverin’ny maro fa hanome vahana an’i Marc Ravalomanana sy ny ankolafy telo izay samy mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny fampiharana ny satan’i Maputo ny asa fanelanelanan’ny SADC sy ny GIC hatrany am-piandohany ary efa nisy namoaka fitenenana mihitsy aza ny olona sasany akaikin’ny FAT fa nomen-dRavalomanana vola, hono ry Chissano sy Simao ka manao izay hiverenany eto.

Ankehitriny kosa anefa dia tahaka ny nivadika izany ny rasa fa lasa mahazo tombony betsaka indray ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina sy ny ankolafiny, vao miha nitombo ny fahefan’ny filohan’ny tetezamita, azy ny fanapahan-kevitra farany ary afaka milatsaka hofidiana soa aman-tsara izy. Dia mipoitra etsy sy eroa ihany koa ny antoko politika, ary efa samy manana ny kajiny amin’ny fizarana seza sy ny fifidianana rehetra ho avy eo, maro mantsy no mieritreritra fa tena hiroso ihany ny dian’ny sambo ka aleo manara-drenirano eny ihany aloha sao dia mba tafita amin’ny faniriana. Niova nanaraka io tranga io ihany koa ny hevitry ny mpanao politika manodidina an’i Andry Rajoelina, ka lasa mahafinaritra azy ireo indray ny SADC izay nokianina mafy sy nanaovana izao sarinteny isan-karazany izao, iray volana lasa izay; dia izay marina angamba ny atao hoe politika, hoy ny olon-tsotra, ny mainty omaly, mety lasa fotsy anio, ary mbola hivadika maitso rahampitso. Dia tsy mbola niova mihitsy ny fomba fisainan’ny mpanao politika Malagasy fa dia izay mahamety azy sy ny antokony ihany aloha, mbola sarotra ny hanatanterahana ilay hoe hampandeferina ny hambom-po ary ny tombontsoa iombonana no jerena, tsy mety ta

nteraka ny fifamelana sy ny fampihavanana satria mbola mahazo laka ny fanilihana sy ny fanavakavahana. Tena sarotra mantsy ny hino fa hilamina i Madagasikara raha toa ka tsy avela hiditra eto sy sakanana amin’ny mety ho filatsahan-kofidiany Atoa Marc Ravalomanana, izay manana ny mpanohana azy maro be manerana ny nosy, ary azo antoka dieny izao fa halemy fototra ny repoblika mijoro eo, hihozongozona ny sezan’izay filoha voafidy eo, raha tsy tanteraka 100% ny fampihavanana, izany hoe samy miaiky ny heloka vitany ary mianiana fa tsy hamerina izany intsony dia samy mahazo famotsoran-keloka avy eo, ary ireo izay very fananana na voaroba sy manan-takaitra dia hahazo onitra avy amin’ilay tahiry iombonana.

Tsy misy filaminana azo antenaina amin’ny alalan’ny fanilihana sy ny fanavakavahana : tsy tokony hohadinoin’ireo mpanao politika fa antony iray lehibe nanafaingana ny firodanan’ny fitondrana Ravalomanana ny nisian’ireo mpitondra teo aloha voatery nanao sesitany ny tenany tany ivelany, na dia tsy re feo matetika aza izy ireo dia tsy nipetra-potsiny ary nisy nandray anjara mihitsy tamin’ny fandrodanana ny fitondrana teto. Koa raha hanova marina dia mila atsahatra hatreo io resaka sesitany sy fanamelohana ny mpitondra teo aloha io, satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hivadika valifaty politika io. Mipetraka ihany koa eto ny fanontaninana hoe : raha samy sori-dalana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny satan’i Maputo sy ity natolotr’i Simao ity, dia nahoana moa no misy ny azo adinoina ary misy ny tsy maintsy ampiharina avy hatrany ? Mbola misokatra, arak’izany, ny adihevitra satria tetezamita iaraha-mitantana fa tsy tetezamitan’ny fanilihana no hatsangana eto.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT