Na misy na tsy misy fankatoavana iaraisam-pirenena, na firy taona na firy taona haharetan’ny tetezamitan-dRajoelina dia tsy olana amin’ny Frantsay izany, satria efa nanomboka tamin’ny 2009 nampirodana ny fitondrana teo aloha izy ireo no maka toerana tsimoramora indray eto Madagasikara ary tanjona ny hifehezana ny seha-pihariana sy ny seha-pamokarana rehetra eto. Famerenana ny fanjanahantany fa amin’ny endriny moderina kokoa izany. Feheziny ny fitrandrahana solika ataon’ny Total any Bemolanga, mihazakazaka miditra eto ireo mpandraharaha Frantsay, tonga tsikelikely ny fanampiana ny zandary sy ny tafika ary ny polisy. Tsy naato mihitsy ny fanampiana amin’ny fametrahana ireo paompin-drano, indrindra fa ny eto an-drenivohitra, ary maro ihany koa ny vazaha Frantsay mividy tany eto amin’izao fotoana. Fantatra fa efa mandrafitra ny paik’ady hahafahany mifehy ireo orinasa malagasy hita fa goavana, na mety hatanjaka atsy ho atsy ihany koa ny Frantsay.
Misy ireo Malagasy eto an-toerana sy any ivelany manampy azy ireo amin’izany tetika hamerenana ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao izany. Zovy tokoa moa no tsy mahalala fa anisan’ireo firenena sahirana ao anatin’ny Vondrona eoropeanina i Frantsa, ka vola hatrany amin’ny zato miliara euros no tsy maintsy tadiavin’ny fanjakana Frantsay ao anatin’ny telo taona. Maro be ny fepetra tsy maintsy noraisina ho fanatanterahana izany tahaka ny fampihenana ny vola ampiasain’ny fanjakana, ny fampitomboana ho roa taona ny taona handehanana misotro ronono, ary ny fikarohana loharanom-bola hafa. Ka tafiditra ao anatin’ity sokajy fahatelo ity ny ataon’ny Frantsay eto amintsika, trandrahany ny solika, ketrehany mafy koa ny hifehezana ireo harena an-kibon’ny tany hafa, mety hiditra any amin’ny jono an-dranomasina koa izy ary mitady ny hifehy ny famokarana angovo eto, efa manomboka mandom-baravarana any amin’ny fitaterana ana habakabaka koa izy ary efa nivoaka mihitsy ny resaka fa hosoloina Airbus daholo, hono, ny Boeing ampiasain’ny Air Madagascar. Sahirana ary tsy afaka nihetsika firy ny Frantsay tamin’ny fitondran-dRavalomanana saingy tena afaka manao izay tiany izy amin’izao fotoana, ary dia tsy misalasala mihitsy. Izany rehetra izany no mampananosarotra ny famahana tanteraka ny krizy satria mandeha daholo ny sakana sy ny fingampingana ary ny hoditr’akondro rehetra any ambadimbadika any.
Mora kokoa mantsy ny maka ny haren’ny firenena iray rehefa mikorontana izy satria variana mifanasa vangy amin’ny fizarana toerana ny mpanao politika ary tsy mieritrertra afa tsy ny hijanona eo amin’ny toerany koa ny mpitondra. Gaboraraka amin’izay ny fitantanan-draharaham-panjakana ary tsizarizary ny fanaraha-maso. Ary araka ny fahafantarana azy ary dia mbola manana tanjona hametraka filoham-pirenena azo fehezina ny Frantsay mba hanasonia fifanaraham-piaraha-miasa ho an’ny 50 taona manaraka, satria tsy afaka nanao an’io isika tamin’ilay fihaonana tany Nice, saingy ny fotoam-bita moa tsy mahaleo ny sampona ka izay tsy vita omaly azo atao amin’ny manaraka. Tsy lavitry ny krizy sy ny savorovoro eto Lafrantsa ary resaka toekarena no tena antony satria tsy mahavelon-tena intsony ny Frantasy ka tsy maintsy mitady …tany malemy hanorenam-pangady !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.