Edito

Sao dia efa ketrika hafa mihitsy ?


  • Zoma 16 Novambra 2018

Mafampana hatrany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ary ambony dia ambony ny risika hisian’ny korontana. Miseho ireo toe-javatra toa fanomanan-tsaina toy ny fahamaizan-javatra misesisy etsy sy eroa.

 

 

Mandeha ny fivoriana politika miafina any ho any amin’ny endriny samihafa. Miseho ny famorivoriana andian’olona isan-karazany. Mba fanomanana zavatra tsara ho an’ny firenena ve sa sanatriavin’ny vava fiomanana amin’ny fanakorontanana sy fampisaraham-bazana noho ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra no kononkononina any ho any ? Re fa efa misy tsy mandry andro tsy mandry alina miara-manomana paikady miaraka amina teratany vahiny somary ratsiratsy laza eto amin’ny firenena. Fanomanana ny dingana manaraka amin’ny fifidianana sa zavatra hafa mihitsy no tanjona ? Toa mampahatsiahy sy tandindon’ny tantaran’ny firenena tany amin’ny 9 taona lasa izany. Hatrany amin’ny tafika no re fa efa misy mitady hikaotikaoty hanao fitaovana sy ho zatra ny lalan-dririnina hatao tohatra fiakarana handrobana fahefana. Mivavabavaka ny olom-pirenena. Raha azony atao ny milela-paladia hoe aza potehina noho ny fitiavantenan’ny mpanao politika ny firenena, aza ampiadianareo ny vahoaka Malagasy, aza ampiasainareo ho fitaovana hampahomby ny sorona hahafahanareo mahazo seza sy fitondrana handatsa-dra ny mpiray tanindrazana aminy ny tafika,… dia efa nataony izany. Inoana ihany koa fa efa nandray lesona tamin’ny tantara ny rehetra ary hibitsika aminy ny feon’ny fieritreretany, ka tena ho an’ny firenena sy ny vahoaka tokoa, fa tsy hosoavalian’ny mpanao politika mamban-tseza. Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, ka enga anie mba ny tsara hatrany amin’izay no ho tazan’ny ambanilanitra. Ny tanana efa zatra mitsotran’ny sasany anefa tsy azo havonkona intsony. Ny mailo hatrany no fanafodiny mba tsy handairan’ny politika maloton’ny fampisaraham-bazana sy ny fandrobam-pirenena. Tsy mahasoa ihany koa ny mifandrafy lava fa mila fahatongavan-tsaina faobe e !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT