Edito

Sao dia efa fanompana vahoaka e ?


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Reharehan’ny fanjakana Rajoelina ny fampodiana ireo vehivavy teratany Malagasy tratry ny fampijaliana tany Koweit sy Liban, izay efa nisy 46 tonga ny faran’ny herinandro teo.

 Tena adidin’ny fitondram-panjakana tokoa ny mamaha ny olana sy nanavotra azy ireo tany satria olombelona mila famonjena. Fa iza sy tamin’ny fitondran’iza no nampiroborobo ny fandefasana azy ireny tany ? Mba voaresaka ve ny mahakasika ny tompon’andraiki-panjakana nanampy tamin’ny fandefasana azy fa tsy mandeha ho azy ny ara-taratasy tamin’io ? Ny krizy teto amin’ny firenena tamin’ny fanonganam-panjakana nisian’ny fandorana orinasa an-jatony maro sy ny krizy teto no tena nahavery asa teto ka nampiroborobo an’io. Ny volana martsa 2012 fony i Tompokovavy Nadine Ramaroson no minisitry ny mponina, dia efa nisy 85 nampodiana avy any Liban. Maro ireo maty sy nitondra takaitra ara-batana sy ara-tsaina. Tao ny sodokan’ny volabe sy ny fampanantenana, tao ny noteren’ny tsy fisiana, fa tao ny mety naondrana sy namidy an-kolaka mihitsy. Tsy sanatria manao tsinontsinona ny fahavoazan’izy ireo satria Malagasy mitovy amin’ny tena ireo. Niteraka adihevitra anefa ny nivoahan’ilay horonantsary naneho vehivavy vitsivitsy toa mamo nilaza fa nizaran-dRajoelina. Tena laharam-pahamehana ve ny fizarana vola ho azy ireo ? Volan-dRajoelina manokana ireny sa volam-panjakana ? Raha atao ny kajikajy amin’ny 5 hetsy ariary isan’olona, dia manome 23 000 000Ar. Ny saran-dalana nampodiana azy ireo an-jatony tapitrisa maro, ary mbola misy an’ireo andiany faharoa 72 isa. Toa fanompana vahoaka indray ilay izy amin’ny endriny iray! Firifiry moa ny Malagasy manana olana any ampita tahaka ireo manovo fianarana any Sina tsy mahazo diplaoma fa toa tsy mivaha ny olana an-taonany ? Firifiry ny Malagasy marary mafy any amin’ny hopitaly mitady vonjy sy miandry fahafatesana ny ankamaroany fa tsy misy mpijery? Aleo mody ekena havily any amin’ilay hoe sarotra ny mitondra firenena, ary tsy voavaha ao anatin’ny fotoana fohy ny olana rehetra. Mampametra-panontaniana ihany anefa ny fanasokajian’ny fanjakana ankehitriny ny zavatra tena maika sy hilain’ny firenena sy ny laharampahamehana. Raha tena mitsinjo vahoaka, dia mila mametraka vahaolana maharitra, saingy ny fanao nanomboka tamin’ny tetezamita kosa dia ny kizarazara sy kimoramora, ary ireo mety ahitana tombotsoa ara-politika hahazoana olona handatsa-bato ho azy no tena jerena amin’io, fa tsy misy fiantraikany amin’ny valalabemandry!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT