Herinandro vaovao indray no diavina ankehitriny. Toy ny fanombohan’ny herinandro rehetra dia maro no manantena zava-baovao eo amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.
Maro ny te handre fa nahita ny marimaritra iraisana ireo ankolafy politika ka tsy hisy intsony ny ady seza sy ny fimenomenomana ary fanakianana etsy sy eroa fa hiroso tanteraka amin’ny fampandehanana ny fitondrana tetezamita ny rehetra mba hahafahana miampita any amin’ny rafitra tena demokratika, anaty repoblika vaovao. Tsy mbola izay anefa no zava-misy fa hafa mihitsy. Ny samy tao anatin’ny sambo toa mifanakiana, ireo nilaza tsy hiditra ao anatian’ny sambo, maka toerana tsara ary nanadino tanteraka mihitsy ny tsianjery teny an-tseranana. Maro be ny fihetsiketsehana sy ny seho ivelany, tsy mbola niainga foana anefa ny sambo fa lany andro amin’ny fisafidianana ny mpiara-miasa aminy angamba ny mpanamory na sahiran-tsaina amin’ny fisafidianana ny lalan-kizorana, maro loatra mantsy ny soso-kevitra tonga eo am-pelatanany.
Mafy ny fiainan’ny vahoaka, tena sarotra sy manahirana. Mahatsiaro anefa ny maro fa mbola sambatra ihany Ramalagasy fa tsy tahaka ny Ivoarianina na ny Libianina, na ny Borkinabe, sy ny vahoaka any amin’ireo firenena arabo maro satria nandalo dia niserana ny gidragidra sy ny an-kitifitra teto ary tsy naharitra ny daroka baomba …mandatsa-dranomaso. Mahavelom-bolo aloha, araka ny fahitan’ny maro azy ny fiainana lavitry ny gidragidra sy ny ankanenjika, fa ny antenaina fotsiny dia mba hahatsapa tena amin’izay ireo mpanao politika, ny erikerika mantsy mety hahatondra-drano ihany ny farany. Mila mahita vahaolana haingana amin’ny krizy sy ny zanaka krizy mipoitra etsy sy eroa ny mpitondra raha tena mahefa marina, anisan’ireny ny tokony haha marin-toerana tsara ny vidim-bary sy ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro. Tsy atao midangana intsony izany satria efa miditra amin’ny fararano isika izao.
Fa andrasan’ny rehetra ihany koa ny mety ho fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana momba ny vidin-tsolika. Efa eo amin’ny fetra farany azo ekena mantsy ny vidin-tsolika eto amintsika amin’izao fotoana, ary tsara kokoa aza raha mbola ahena kely izy io amin’izay mba mahita tombony fa tsy miasa ho an’ny solika fotsiny ireo mpitatitra. Dia ahoana izany raha toa ka miakatra indray ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ? Hatraiza no mety fetran’ny fahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ny fanjakana sy ny mpanafatra ary ny mpaninjara ny solika eto amintsika ? Ny firenena tsy mandalo krizy aza mikaikaika mihitsy amin’ity resaka ity, mainka fa isika tao anatin’ny tsy ara-dalàna nandritra ny roa taona. Tena iankinan’ny fiainan’ny firenena amin’ny ankapobeny io resaka solika io koa raha tsy malina sy mitandrina tsara amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ny fitondrana tetezamita dia ho loza ho azy ny mety hitranga eo. Tsy ho mora anefa ny raharaha satria tsy maintsy samy omena fahafaham-po, na ny fivondronan’ireo kaompania goavana mpanafatra solika (GPM) na ny fivondronan’ireo mpandraharaha mpivarotra solika ny amin’ny tobin-dasantsy (GPGLSS) na ny mpanjifa. Tena asa marika henjana, mahavaky loha ary tsy mampatory fa mpanonofy ratsy izany, ary maha te hiteny hoe : sambatra ihany izay tsy eo amin’ny fitondrana an !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.