Hiova filamatra kely isika amin’ity anio ity ka ajanona kely aloha ny resaka politika fa andeha horesahana indray ny toetr’andro satria izay izao no malaza.
Nanomboka tokoa ny vanim-potoanan’ny rivodoza ka i Bingiza no nisantatra izany tamin’ity taona ity. Tonga dia vavany avy hatrany ny resaka, tsy nihafihafy i Bingiza fa dia nandravarava iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny. Nitondra faisana i Mananara Avaratra, ny nosy Sainte Marie, Maroantsetra, Mandritsara. Nikija nandritra ny efatra andro ny orana tamin’ny faritra maro manerana ny nosy, indrindra fa ny ilany atsinanana, ny afovoan-tany ary ny avaratra andrefana. Araka ny fantatra dia namela takaitra lehibe tao Mananara Avaratra i Bingiza, nanidina ny tafon’ny 90% ireo trano any an-toerana, tapaka ny jiro. Sarotra ny fifandraisana an-telefaonina, mananosarotra ny fandehanana amin’ny fiara mankany satria niakatra be mihitsy ny rano. An-jatony ireo tsy manan-kialofana.
Tsy fandatsana sanatria fa efa nambara teto ihany tamin’ny herintaona ny zavatra tsy maintsy hitranga amin’iny ilany avaratra atsinanan’ny nosy iny amin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza tahaka izao, noho ny nandripahana ny ala tao amin’ny valan-javaboary voaaron’i Masoala. Tena nalaza ratsy tamin’ny fanapahana «bois de rose» tokoa mantsy nanomboka ny taona 2009 i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Nanao izay hahazoany vola fotsiny angamba ireo mpanapaka sy nampanapaka ireo hazo sarobidy ireo fa tsy nahalala ny voka-dratsin’ny zavatra ataony ho an’ny mponina amin’iny faritra iny sy ho an’ny firenena amin’ny ankapobeny. Any amin’ny ranomasimbe indianina foana no miforona ny rivodoza rehetra miditra eto amintsika ka mazava ho azy fa amin’iny ilany atsinanan’ny nosy iny, eo anelanelan’i Mananara Avaratra sy Mananjary no matetika miditra an-tanety izany rivodoza izany.
Ary eo amin’io faritra manodidina an’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra io no toerana azo atao hoe tena saropady araka ny filazan’ny manampahaizana satria mahery vaika ny rivodoza tafiditra eo ; ka izay no maha zava-dehibe ny fisian’ny ala matevina amin’iny faritra iny mba hampihena ny herin’izany rivodoza izany. Naripaka tanteraka anefa ny ala tamin’izany faritra izany, noho ny resaka «bois de rose» izay maha voatonontonona olona ambony maro ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao, koa dia azo ambara fa mihanjahanja, tahaka ny olona tsy miakanjo amin’izay iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny amin’izao fotoana. Koa dia mivatravatra aok’izany izay rivodoza rehetra miditra eo. Ary ny tena loza dia mety mbola hatanjaka lavitra noho ny teo aloha rehetra manomboka izao ny rivodoza miditra avy any avaratra atsinanana, na dia efa tafiditra an-tanety aza fa tsy miha malefaka araka ny filaza, satria nahazo vahana sy nahazo aina tsara izy niditra ny morontsiraka.
Tsy adala ny mpitondra teo aloha raha nametraka ny ala tamin’iny tapany avaratra atsinanana iny ho anisan’ireo faritra voaaro, fa misy antony mazava. Azo antoka fa manomboka amin’ity 2011 ity dia hihamafy isan-taona hatrany ny rivodoza miditra eto amintsika noho io fandripahana ny ala tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra io, raha hamboly hazo anefa isika dia mila miandry eo amin’ny 75 na 100 taona eo vao mety hiverina amin’ny laoniny indray ny ala matevina tahaka ny nisy mialohan’ny 2009. Izany hoe ho potika isan-taona mandritra ny 75 taona izany manomboka izao tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny. Tena vidiana lafo ny fandripahana ny hazo sarobidy ary loza ho an’ny taranaka faramandimby ary tomponandraiktra voalohany amin’izany ny fitondrana tetezamita
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.