« Kanjo vetivety ihany, mbola teny antsasa-dalana dia nanomboka nitaika ny erikerika mahalana.
Njay ny tsiokan’ny tafiotra sy ny rivo-mangatsiaka ary tsy ela dia nanizina iny lanitra baliaka.”, hoy ny poeta iray izay raha nilaza tamin’ny fomba kanto ny fisamboaravoaran’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manizina, voambolana entina milaza fikorontanana ambony ambany toy izay mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny ary heverina nahatonga ny teny hoe manizingizina na koa hoe manery raha jerena amin’ny dikan-teny ara-bakiteny. Na inona na inona aloha zava-mitranga iainantsika eto amin’ny firenena ankehitriny ka mahatonga antsika ho tsy tafavoaka anaty fahantrana toy izao, 60 taona mahery izay, dia tokana ny fanontaniana mipetraka. Ozona sa izina izy ity ? Izany hoe efa firenena voaozona isika sa mbola andairan’ireo fomba fanjanahana amin’ny endriny vaovao manakorontana ny zanatany hatramin’izay ihany koa ? Ny tsy fahampian’ny otrikarentsika tokoa ve no mahatonga ny karaman’ny mpiasam-panjakantsika hihoatra ny 5,9 % amin’ny harin-karena faobe raha toa ka 4,7% no fenitra maneran-tany sa tsy fahaiza-mitantana ? Maha velom-panantenana ny maro hatrany ny fisian’ireo tolona isan-karazany mitohy lazaina fa ho an’ny fanovana saingy ny mampametra-panontaniana sy ipetrahan’ny ahiahy hatrany dia ny hoe haharitra tokoa amin’ny tolona nivoadiany ve ireo sendika isan-karazany rehefa nilaozan’ireo solombavambahoaka sa efa tsy hantenaina atsy ho atsy intsony koa ? Tena hahatody hatramin’ny farany ny tanjona tao anatin’ny tolona hatrany am-piadohany ve sa sanatrian’izany handairan’ny teritery isan-karazany ka hilefitra tsy lera ? Petra-kevitra sy fanontaniana mampiahiahy avokoa izany rehetra izany fa raha ny zava-misy ankehitriny aloha no asian-teny dia hita ho mizotra any amin’ny fandrebirebena saim-bahoaka ahazoana tombontsoa toy ny mahazatra ihany. Sao dia tsy vitan’ny hoe tsy mahay mifamelona sy miavona intsony tokoa isika sanatria fa mbola mifanozona sy mifanizina na mifanakorontana an-trano ihany koa sanatria ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.