Tsy mandeha lavitra fa dia miara-dalana amin’ny krizy politika ny krizy sosialy, ary matetika aza dia misy ifandraisany foana izy roa ireo.
Malaza any Eoropa ny fidangan’ny trosa sy ny fahasahiranana ara-toekarena ary ny fitomboan’ny tsy an’asa, ry zareo Grika sy Espaniola no tena sahirana amin’izao fotoana. Mitarika avy hatrany ny tsy fitiavan’ny olona ny mpitondra izany ka mahatonga ny grevy sy ny fidinana an-dalambe etsy sy eroa. Tsy mora mihitsy ny manarina toekarena ao amin’ny firenena izany. Misy ny mpampindram-bola saingy tena henjana ireo fepetra apetrany, toy ny hoe ahena ny fandaniambolam-panjakana, izany hoe ahena ny vola mivoaka ka mety hihena hatramin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ampitomboina ny taona hiasana ka mety ho 62 na 65 taona vao handeha hisotro ronono. Dia efa hitantsika tamin’ny vaovao ihany ny savorovoro naterak’io fepetra io tany Frantsa, ka nampitombo isa ireo Frantsay tsy mankasitraka intsony ny politikam-pitantanan’i Nicolas Sarkozy.
Ny Amerikanina ihany koa noho ity olana ara-toekarena maneran-tany ity dia nisafidy ny hampihen-danja avy hatrany ny volany, dia ny dolara izany. Efa nanao an’io ihany izy ireo taorian’ny asa fampihorohoroana goavana nitranga tamin’ny 11 septambra 2001 sy taorian’ilay olan’ny fananana sy ny fampanofana trano tamin’ny 2006-2007. Matanjaka raha oharina amin’ny dolara ny vola «euro» an-dry zareo Eoropeanina, saingy mbola mifampitana tsara eo amin’ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena ny roa tonta, ary matetika aza mampivondrona ny heriny hanoherana ny tanjaky ny Sinoa. Ny antsika eto Madagasikara dia mbola niampy krizy politika tsy mety ahitam-bahaolana hatramin’izao io fahasahiranana ara-toekarena nateraky ny fanatontoloana sy ny fampindramam-bola io. Tsy fampitahorana tsy akory no atao eto fa fampatsiahivana fotsiny fa efa mba netinety ihany i Madagasikara teo amin’ny lafiny ara-toekarena tamin’ny fitondrana Ravalomanana, izay niezaka ny nametraka ireo rafitra sy fomba fiasa rehetra hahafahana manaraka ny fivoaran’ny fifandraisana iraisam-pirenena ka tsy hahadifotra an’i Madagasikara.
Raha ny marina dia amin’izao 2011 izao no nanomboka hita soritra sy azo tsapain-tanana ary mipaka any amin’ny isan-tokantrano amin’izay ny fampiharana ilay Madagasikara Am-perinasa (MAP) saingy efa nirodana avokoa moa izany rehetra izany, fa hoe jadona ny fitondrana nisy teto ary tsy mba nijery ny mahasoa ny vahoaka mihitsy. Fa mahasoa ny vahoaka ary ve ny zava-misy eto ankehitriny taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ? Inoana fa mahatsapa tsara izao i Andry Rajoelina sy ny FAT fa tsy mora ny mitondra firenena ary sarotra ny mandresy lahatra ny vahoaka, izay tsy mahalala afa tsy ny sakafo harapany isan’andro, fa tsy manana fotoana handinihana ny hoavy intsony noho ny fahasahiranana iainany isan’andro. Adidin’ny mpitondra anefa ny mametraka vina, indrindra fa amin’ny lavitr’ezaka, io ilay antsoin’ny Malagasy hoe mitsinjo ny vodiandro ho merika. Tsy mety tafavoaka isika fa dia mahita olana hafa foana isaky ny miposaka ny masoandro. Miakatra ny vidin-tsolika. Tsy manaiky fa mitady ny tombontsoany ireo mpaninjara solika.
Efa mananontanona koa ny fiakaran’ny saran-dalana, ny mpampianatra mpikaroka tsy mety mampianatra fa mitaky ny zony amin’ny resaka tambin-karama, saingy raha mahazo valiny mahafa-po ireo dia mety ho avy indray koa ny fitakian’ny sendika hafa. Ny tena azo antoka ihany koa raha toa ka manomboka ihany ny taom-pianarana eny amin’ny oniversite dia hitaky fampisondrotana ny vatsim-pianarana indray ny mpianatra. Ny FAT ao anatin’izany rehetra izany dia mangataka fanampiana etsy sy eroa sy fanohanana fa maika hikarakara fifidianana. Ny mpitondra fotsiny no niova fa ny krizy tsy nivaha. Ny olona no mitady hivaha sy ho lasa adala noho ny fahasahiranana. Mibaribary koa izao fa be kabary fotsiny ny mpanao politika Malagasy fa tsy mahavaha krizy sy tsy mbola mahay mitantana firenena mihitsy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.