Edito

Noho ny hafenoan’ny rano be loatra …


  • Alatsinainy 08 Janoary 2018

Ambony ambany indray ny fiainam-pirenena, noho ny hafenoan’ny rano be loatra. Nijojo ny orana. Miantraika any anaty fiarahamonina efa ho taona maro ny fahasahiranana. Maro ny Malagasy no nindaosin’ny fahafatesana, mety noho ny aretina, ny famonoan-tena, ny lozam-pifamoivoizana, ny asan-jiolahy, ny loza voajanahary.

“Ny Malagasy tsy miady amam-paty”, hoy ny fitenenana efa lasa kolontsaina sy fomba fisainana. Manaiky rehefa mana-manjo, tsy miady hevitra satria izay no fandaharana. Isaorana ireo havana, tapaka sy namana nankahery. Miverina ny adin-tsaina avy eo rehefa tavela irery amin’izay. Niakatra ny vidin-tsaribao, niakatra ny vidim-bary, niakatra ny vidin’ny kitay menaka…noho ny hafenoan’ny rano be loatra. Mbola hanaraka avy eo ny menaka, siramamy, sira, ny legioma isan-karazany, ny hena. Angamba mety hiaka-bidy koa ny solika atsy ho atsy…noho ny hafenoan’ny rano be loatra. Dia mbola mangina tsy mihetsika Ramalagasy. Manaiky ny  fandaharan’ny ao ambony, lasa mampionon-tena rehefa avy nibebaka fa hoe : vahoaka maditra ka nandefasana mpitondra adala hanafay azy. Fa nahoana no manaiky faharesena ? Lasa aiza daholo ny fahendrena ? Tsy maintsy manaotao foana ve rehefa sahirana ? Dia sanatria lasa bibibiby toetra, nilaozan’ny fanahy ka tsy olona intsony ? Tokony hahatonga saina ny tsirairay izao zava-manjo ny firenena izao fa na ny Kaomorianina nohamavomavoina hatrizay aza efa mandroso lavitra noho ny Malagasy. Ireo Afrikanina mpiady an-trano efa manana Metro, misy nahavita nandefa zanabolana eny ambony tsy taka-maso, miha tsara ny fiainan’izy ireo isan-taona. Ny an-dRamalagasy kosa miha ratsy isam-bolana. Noho ny hafenoan’ny rano be loatra, tsy afaka nifanaraka, tsy afaka nifandefitra, tsy afaka nihavana. Ny manampahefana moa, noho ny hafenoan’ny paosiny be loatra angamba dia tsy mahatsapa ny  fangirifirian’ny vahoaka ka mandany andro fotsiny amin’ny kabary tsara lahatra sy ny fihetsiketsehana ivelany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT