Ambony ambany indray ny fiainam-pirenena, noho ny hafenoan’ny rano be loatra. Nijojo ny orana. Miantraika any anaty fiarahamonina efa ho taona maro ny fahasahiranana. Maro ny Malagasy no nindaosin’ny fahafatesana, mety noho ny aretina, ny famonoan-tena, ny lozam-pifamoivoizana, ny asan-jiolahy, ny loza voajanahary.
“Ny Malagasy tsy miady amam-paty”, hoy ny fitenenana efa lasa kolontsaina sy fomba fisainana. Manaiky rehefa mana-manjo, tsy miady hevitra satria izay no fandaharana. Isaorana ireo havana, tapaka sy namana nankahery. Miverina ny adin-tsaina avy eo rehefa tavela irery amin’izay. Niakatra ny vidin-tsaribao, niakatra ny vidim-bary, niakatra ny vidin’ny kitay menaka…noho ny hafenoan’ny rano be loatra. Mbola hanaraka avy eo ny menaka, siramamy, sira, ny legioma isan-karazany, ny hena. Angamba mety hiaka-bidy koa ny solika atsy ho atsy…noho ny hafenoan’ny rano be loatra. Dia mbola mangina tsy mihetsika Ramalagasy. Manaiky ny fandaharan’ny ao ambony, lasa mampionon-tena rehefa avy nibebaka fa hoe : vahoaka maditra ka nandefasana mpitondra adala hanafay azy. Fa nahoana no manaiky faharesena ? Lasa aiza daholo ny fahendrena ? Tsy maintsy manaotao foana ve rehefa sahirana ? Dia sanatria lasa bibibiby toetra, nilaozan’ny fanahy ka tsy olona intsony ? Tokony hahatonga saina ny tsirairay izao zava-manjo ny firenena izao fa na ny Kaomorianina nohamavomavoina hatrizay aza efa mandroso lavitra noho ny Malagasy. Ireo Afrikanina mpiady an-trano efa manana Metro, misy nahavita nandefa zanabolana eny ambony tsy taka-maso, miha tsara ny fiainan’izy ireo isan-taona. Ny an-dRamalagasy kosa miha ratsy isam-bolana. Noho ny hafenoan’ny rano be loatra, tsy afaka nifanaraka, tsy afaka nifandefitra, tsy afaka nihavana. Ny manampahefana moa, noho ny hafenoan’ny paosiny be loatra angamba dia tsy mahatsapa ny fangirifirian’ny vahoaka ka mandany andro fotsiny amin’ny kabary tsara lahatra sy ny fihetsiketsehana ivelany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.