Edito

Nilaozan-doharano


  • Talata 03 Jolay 2018

Tandindon’ny fahavelomana ho antsika Malagasy ny rano. Mangidy teo amin’ny fiarahamonina fahagola mihitsy ny nilaozan-doharano.


 Ninoan’ny razantsika fa tsy mijanona eto amin’izao tontolo izao ny fahaveloman’ny olombelona fa mitohy hatrany amin’ny tsy hita maso any rahatrizay modimandry. Araka ilay tononkira iray izay anefa dia tsy maintsy ho avy ihany ny fotoana hampanjombona ny eny Antsampandrano eny, izany hoe rehefa tonga ny fotoana hisian’ny mijanona eto sy ny mandao ho any Ankoatra. Heverina fa antony goavana nipoiran’ny fahendren-drazana ny tsy fiadiana amam-paty. Zokibe 2 teo anivon’ny tontolon’ny fanaovan-gazety no lasa tato anatin’ny herinandro izao ary dia misaona indray ity fihariana masina ity fa nilaozan-doharano. Nametraka ny tantarany ireny. Mety nanana ny kilemany saingy nanana ny mamy navelany ihany koa. Izay no heverina fa tokony hotehirizina hampiboiboika loharano vaovao indray. Raha ampifandraisina amin’ny raharaham-pirenena izay sarisary rehetra izay dia azo lazaina ho nilaozan-doharano tampoka ihany koa ankehitriny ny fiarahamonina malagasy raha toa ka mbola tsy hita veroka hatramin’izao ny fiovana izay notakiana efa hanitsaka ny volana fahatelony. Nihatra mivantana teny an-kianja ny teny hoe ny mpitondra mandalo fa ny vahoaka no mitoetra raha nisy lasa tsy nanao veloma tampoka teny an-tenantenany teny satria nahazo ny anjarany. Lasa tia mifanambaka ny Malagasy raha nankafy nifanampy tany an-doharano tany. Lasa tia mifandrafy raha tia fihavanana taloha. Ary na fifamonoana mivantana na an-kolaka ankehitriny dia hita ho nandresy ny fifamelomana avokoa. Hanorina ifotony sa hiverina an-doharano sa inona kosa ary ilay fiovana tena andrasana eto ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT