Hanana fahefana feno manomboka anio ireo mpitondra nanana ny tantarany tsy dia tsara tamin’ny firenena tany amin’ny 10 taona lasa.
Tsy fanjakana vaovao io fa ny tonta no amboamboarina ary fanindroany hitondra firenena fa ny fomba nahatongavana teo no tsy mitovy. Ny tamin’ny voalohany dia tena namohehitra satria sady nanitsakitsaka ny lalàna velona no nampiasa hery ary namotika izay azo noravana teto. Efa ho feno 10 taona katroka afaka herinandro rahateo ilay 26 janoary 2009 nisian’ilay alatsinainy mainty nanamaloka tanteraka ny lanitr’Iarivo nentina nampahomby noho ny teti-dratsy. Asa lahy na mba tsy hisian’ny tandindon’izany no tsy nanaovana ny lanonana fianianana eny Mahamasina hanakaiky io daty io satria raha ny tokony ho izy dia 25 janoary. Ity endrika nahazoana fahefana iray ity indray dia niova kely fa ny fomba naloto dia tao foana ka na efa hita fa mainty aza tsy maintsy nofotsiana e ! Tsy hiadian-kevitra intsony iny satria efa nahazo doka sy fiarahabana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy toy ny taloha ka efa manomboka mieboebo. Mirehareha ery fa ho avy, hono, ny karazam-bahiny, toy ilay filohana firenen-dehibe iray teo aloha, izay nanampy tamin’ny fandravana ny efa nitsangana teto 10 taona lasa izay. Asa raha mba tsapany fa firifiry moa, ohatra, ny tany Afrikanina tsy maty voalavo an-kibo sy mbola manana alahelo amin’ity vazaha be andohalehan’ny sasany ity ? Potika ny fiadanan-dRamalagasy, rava ny fiadanan’ny Libianina rehefa nolazaina fa jadona ilay filoha nahavita nampiadana ny ambanilanitra sy nanana hambom-po teo anatrehan’ny fanjakazakan’ny sasany … Fomba firesaka ara-diplomatika no ataon’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny tena porofon’ny fankatoavana dia ny fisian’ny fiaraha-miasa matotra sy fanampiana ara-bola an’i Madagasikara. Miandry sy mitazana isika satria saika ireo olon’ny HAT tamin’ny 2009 efa niara-nizioga ilay anarana “sans qualités” na tsy misy kalitao ihany no toa ho hita ao. Misy mason-tsivana maro jerena, toy ny fahadiovana ara-pitantanana, indrindra fa ny volam-panjakana, ny tsy fisian’ny kolikoly, ny fanajana ny demokrasia,… vao mety hisy lanitra manga ka asa na mba hisy ny fiovana na ny tany aloha ihany no hiverina ? Enga anie mba hivokona amin’izay ireo tanana zatra mitsotra e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.