Dia sanatria ho toy ny sary indray mipika na fasika entin-driaka ka hampijininika ny jinin’anjely mianjera toy ny voalazan’ireo tononkalo sy tononkira ve no hiafaran’ireo tolona isan-karazany notarihina tamin’ny resaka fanovana rehetra tamin’ity taona ity ?
Toa ny teo ihany mantsy no eo raha mijery ny zava-misy ary miha mazava ankehitriny ny paikadim-panjanahana kasain’ireo hery avy any ivelany mbola haverina hihatra eto. Mbola taratra hatrany ny fandranitana adim-poko amin’ny alalan’ny fivoizana ny faritra niavian’ny tsirairay, ny fanadredrahana ireo fomba amam-panao izay terena hifandray amina resaka finoana fotsiny izao, saingy rehefa dinihina ny tanjon’ireny fihetsika rehetra ireny dia toa paikady entina hanitsahana ireo mpiray tanindrazana hita ho misandratra sy tsy mitsipaka izay fanjanahana amin’ny endriny vaovao izay avokoa. Hatrany anaty toeram-pivavahana mihitsy ankehitriny no hita ho efa manomboka idiran’io paikady io ary miha mizotra amina fampiharana fampihorohoroan-tsaina tanteraka ny fiarahamonina malagasy. Misoko miadana toy ny poizina ny fidiran’ireo mpanjanaka amin’ny endriny vaovao ary izay tokoa vao tena ho taraiky eto isika raha tsy mitandrina amin’izao. Ny zava-misy miharihary aloha dia mbola nahavita nametraka ny olony ho eo amin’ny fitondrana malagasy ihany ny nokianina ho « mpanao ampihimamba iraisam-pirenena ». Mbola toy ny masoandro be lohataona ihany koa ny fihariharin’ny fametrahana ny dian-tanany ao anatin’ny fikarakarana fifidianana. Mazava ho azy, araka izany, fa olon’izy ireo ihany koa no hezahany holaniana eo kanefa dia mahagaga ny fihetsik’ireo mpanao politikantsika izay tsy mahalala ny tokony hataony mihitsy manoloana izany rehetra izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.