Miandry am-pitoniana izay ho voka-pifidianana havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no ady eo amin’izao. Efa ireny niaraha-nahita ireny sahady anefa ny karazana don-tandroka sy toa fandrangarangana hery ataon’ny sasany.
Toa efa zatra ny làlan-dririnina, ka milaza hatrany fa eo efa zatra ady ka tsy maintsy mandresy hono na inon-kidona na inon-kitranga. Mazava ho azy no tiana hahatongavana, fa ho avy amin’ny bodingerona tahaka ny natao 9 taona lasa izany, raha halalinina io. Toa efa aseho sahady izany ny toetran-jiolahim-boto liana ady, saingy ny hery tsy mahaleo ny fanahy, hoy ny fitenenantsika sao ho zatra ny lalan-dririnina eo e ! Re fa efa mandeha any ny fanomanana tetika maloto isan-karazany, ary efa nisy hatramin’ny fandefasana iraka tamina toby miaramila iray teto an-drenivohitra hikotrehana fakana fahefana amina basy aman-tafondro indray angamba rehefa mitady tsy hahovoka aty amin’ny fakana fahefana ara-pomba demokratika. Toa tsy arakaraka ny volabe nafafy no vokatra azo, ary heverina ho iny tamin’ny fihodinana voalohany iny no tsara indrindra tsara indrindra, ka dia mikononkonona zavatra mamoafady indray raha ny fahitana azy satria efa fomba fanao mahazatra io. Efa voafatotry ny volabe noraisina tany ho any rahateo angamba, izay mazava fa ny harem-pirenena sy ny tanindrazana no sandan’izany. Izany ve no toe-tsaina hoentina hitondrana ny tanindrazana raha sanatria mahazo fahefana eo indray? Izany tokoa ve ilay hoe fitiavana dradradraina? Soa ihany aloha fa mba efa tonga saina ireo antsoina hoe tandroka aron’ny vozona raha tarafina amin’ilay zava-nisy nolazaina tetsy ambony satria namaly bontana amin’ny hoe efa ianareo no nandoto sy nanala baraka ny anaranay, ka toa tratry ny felaka mandrivorivo ireto efa zatra lalan-dririnina. Ny vahoaka ihany koa efa manomboka misokatra ny masony. Ny ratsy anefa tsy kely làlana, hoy ny fitenenana, ka mila mailo ny vahoaka satria tadiavin’ny sasany hatao sorona sy ho tohatra fiakarana indray.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.