Edito

Mihaingo ambony tsikoko hatrany


  • Talata 02 Aprily 2019

Any ampitan-dranomasina ny filohantsika, izay tena miedinedina sy mirehareha ery fa izy, hono, no vahiny manan-kaja amin’ny lanonana hanasan-dry zareo Sonegaly azy.

 Andeha ekena fa voninahitra ho azy sy ny firenena tokoa izany. Inona no mahamaika ny firenena vahiny na matanjaka na salantsalany mitady hirika sy maka ny fon’ny mpitondrantsika ankehitriny ? Isika izay firenena sokajiana ho mahantra indrindra eto ambonin’ny tany raha ny faripiainan’ny vahoaka. Ity filohantsika ity aza fahiny dia nambanian’ny mpitondra Afrikanina ho tsy misy kalitao. Fantatry ny olona fa mety ho vaky balina indray ny fahazoana harena aty Madagasikara. Nandeha tany Maorisy ny filoha, tapa-bolana lasa izay. Nambarany fa homena tany 80ha ny Maorisianina hanaovany fandraharahana.  Aleo vantanina ny resaka, tsy hisy firenena handeha hanampy na hampiasa vola na hanome vola fahatany izany raha tsy misy tambiny. Bizina io fa aza mifanabado eto e ! Ny an’ny mpitondra any ivelany any rehefa mandeha, dia voan-dalana no entiny miverina ho an’ny vahoaka ary zavatra tokony ho azo tsapain-tanana no atolotra. Ny mpitondra antsika kosa toa ampifilafilain’ny olona. Indrisy fa ny an’ny tena aza no mety mbola hanaraka raha tsy mahay tsara ao anatin’ity raharaha ity. Tsaroana izao seho ivelany izao ka nampisehoana fa ireo ny mpamatsy volan’ny tetikasan’ilay filoha fa ny fahalaniany sisa andrasana. Nivatravatra ery nanao teny tsy am-piheverana fa izy indray, hono, no hampitrosa an’i Kaomoro rehefa tonga eo, kinanjo manomboka mitady ho fotsy varavarana mitangirika vola ato sy aroa. Raha ny fihetsika sy ny seho ivelan’ilay filoha sy ekipany any ivelany any aloha, raha tsy voalohany manankarena indrindra aty Afrika na eto ambonin’ny tany mihitsy ny firenena Malagasy dia faharoa. Tena mampiseho fa tsy mena-mitaha amin’ny hafa, ary tsy mitsitsy vola aman-karena any ivelany any, fa ny olona mahantra kosa tambazana kaontenera hitoerana eo amoron-drano masiso sy hivarotana vary mora dia milamina. Mihaingo ambony tsikoko hatrany ny mpitondra antsika satria toa tsy mitandro vola aman-karena sy mirehareha fatratra any amin’izay aleha any. Ny vahoakany kosa anefa mahantra fadiranovana tratry ny domina tapany handoa erany lava. Tsy mbola tonga saina foana ve e ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT