59 taona amin’ity taona ity no hankalazana ny fahaleovantenam-pirenena. 61 taona ny repoblika voalohany. 72 taona rahampitso kosa no hahatsiarovana ny raharaha 29 martsa 1947.
“Tolon’ny maherifo”, “tolom-piavotana”, “tolom-panafahana”. Samy manana ny fiantsoany sy ny famaritany ny zava-misy tamin’izany fotoana izay rehetra mahalala ny fisian’io tantara io. Ny tantaram-pirenena eo ihany fa ny fiovana na ny fivoarana ho soa novokarin’ireny tolona nanan-tantara ireny kosa no mahasorena matetika ny mieritreritra azy. 72 taona izany izao no nitakiana fahafahana ary azo lazaina hoe efa 59 taona farafahakeliny kosa no nilazana fa azontsika izany. Maha tonga saina anefa ny fanehoan-kevitra tanora iray mikasika ny raharaham-pirenena fa ny mba nisongadina tamin’ny vokatr’ilay tolona niandoha tamin’ny 72 taona lasa io dia mbola izao iainantsika ankehitriny izao. Fahantrana lalina. Dia toy ny mahazatra rehefa maheno mpanao politika hoe tokony hovana ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara indray aloha izany isika rahampitso. Firy isan-jaton’ireo mpanao politika eto Madagasikara moa no efa niteny fa tokony hovaina tokoa ny fomba fanaovana politika eto ary efa hatramin’ny oviana ? Ny zava-misy anefa dia tsy manalasala ny milaza azy hoe miha mitotongana ny foto-pisainana entina manao politika eto Madagasikara. Efa ny ankamaroan’ny olom-pirenena izao no mitabataba fa mila jerena ny fanajana ny andininy faha-49 ao anatin’ny lalàna mikasika ny fifidianana izay mamehy fa tsy tokony hitondra ny anaran’ny filoham-pirenena ny fikambanana na vondrona na antoko politika iray. Amin’izao dia izany mihitsy no kasain’ireo mpanao politika sasany entina handaniany ny kandidany saingy jeren’ny CENI sy ny HCC fotsiny na dia efa nohamafisin’ny iray tamin’ireto rafitra ireto fa tsy tokony hatao aza. Lasa vazivazy zarintenan’ny kandida tsy miankina sasany moa ny hoe izahay koa mba hampiasa ny sarin’ny filoham-pirenena amin’izay lany. Tsetsatsetsa tsy aritra heverina ho ilaina moa ny firesahana lavalava an’izay saingy ny rahampitso aloha izay dia miandry kabary indray ny rehetra satria azo antoka fa ho be an’izany sy mpanati-boninkazo eny Mausolé eny fa ny tohiny dia mampametra-panontaniana hoe mba hisy amin’izay ve ny valimbabena ho an’ireny maty ho an’ny firenena ireny dia ny fampandrosoana marina ity nosy ity ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.