Mbola misy Fanjakana ve eto ?

Tsy finiavana hanakiana na hitsikera,


  • Talata 29 Oktobra 2024

fa tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona

mahery niverenan’ny fahaleovantena kosa angamba izao krizy sosialy goavana iainan’ny Malagasy amin’ny resaka jiro sy rano izao. Tena miharatsy andro aman’alina ny tolotra, mitombo ny ora fahatapahana, zara raha misy adin’ny roa na adin’ny telo no mandeha ao anatin’ny tontolo andro,… Tena tsy arakaraka ny vava be sy fanivahivana nataon’ny mpitondra ankehitriny ny mpitondra teo aloha izay nivoahan’ny hoe : « mpampiesona » tamin’izany rehefa nandeha ny fampanantenana fa ho voavaha ao anatin’ny 3 volana ny delestazy. Raha mpampiesona ny tamin’izany, dia asa mpampiesona avo firy eny izany ny ankehitriny tamin’ireo fampanantenana poakaty zavon-tany nolazaina niainga tany amin’ny IEM niampita tamin’ny velirano sy ny maro hafa raha ny teo amin’ny resaka angovo fotsiny ? Tsy finiavana hitanisa an’izany fa tena efa tahaka ny tany tsy misy Fanjakana intsony eto raha ny resaka famahana io olana ara-tsosialy io no resahana. Raha tsy misitrika tsy hita popoka, dia mitanisa olana sy fampanantenana lava no hita, fa izay tena vahaolana tsy misy. Fifehezana sy fitantanana krizy no amin’ny alalan’ny famoretana misy eto fa tsy famahana hatramin’ny fakany ny olana sy fampandrosoana. Vao ny resaka angovo sy herinaratra izany, fa ny fiainam-pirenena ankampobeny mihitsy no efa ambony ambany, hany ka miezaka manao serasera sy milalao ny fiantsoana sy fihaonana amin’ny vahiny ho vahaolana hitondra fahagagana ho an’i Madagasikara. Antsoina ny arabo ary tambazana mafy, antsoina ny sinoa hanatratra ny fahaleovantena ara-tsakafon’ny Gasy, antsoina ny vazaha hanavotra ny Jirama,… Dia tena mino ve isika fa hahavaha olana izany ? Dia tena tsy mahavita azy ve ny Malagasy sa tsy homena sehatra sy hamaivanina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT