Nahavita ny asa nampanaovina azy tamin’ity 2010 ity ny diplaomasia Malagasy raha ny nambaran’ny ministry ny raharaham-bahiny Hippolyte Ramaroson no dinihana. Aminy mantsy dia nanova zavatra maro teo amin’ny fomba fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena ny zava-misy teto ireo fifampiresahana maro be nataon’ny tao amin’ny ministera notarihany, na teo an-toerana izany na tany ivelany. Nazavaina an-tsakany sy an-davany tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miasa amintsika ny zava-nitranga marina teto hoy ny Vice amiral Hippolyte Ramaroson, ary tsy hoe : resy lahatra tanteraka izy ireo fa nanova kosa ny fomba famindrany amin’ny asa fanelanelanana ato eto.
Dia tsaroana eto tokoa 16 volana lasa izay fa tsy neken’izao tontolo izao ary nambara fa mpanongam-panjakana i Andry Rajoelina raha natao aza ny fihaonana tany Maptuo ireny dia tsy mbola nisy nilaza mihitsy hoe izy no hitantana ny tetezamita. Ankehitriny kosa anefa dia tsy tahaka izany intsony ny fomba fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena, fa azo ambara hoe tena manaiky izy ireo fa i Andry Rajoelina no filohan’ny fitondrana tetezamita, ka raha mazoto amin’ny fiaraha-mitantana ireo ankolafy politika hafa, dia miditra any amin’ireo andrim-panjakana tahaka ny CT sy ny CST, mbola azo idirana tsara koa ny governemantan’ny firaisam-pirenena ajoro atsy ho atsy. Tsy misy resaka intsony ilay hoe : «co-président de la transition», ary Atoa Fetison Andrianirina aza moa dia any am-ponja amin’izao fotoana.
Na dia eo aza anefa izany hoe asa tsara vitan’ny diplaomasia Malagasy izany, dia tsy mbola maharesy lahatra ny maro kosa ireo hoe firenena manohana ary mazoto ny hiara-kiasa amintsika, tahaka an’i Torkia, Iran, Israel, satria na eo amin’ny fomba fiteny fotsiny aza dia efa sahirana ny Malagasy raha hifandray amin’ireo firenena ireo, ary amin’ny saina tsy miangatra ihany koa no ilazana fa na dia manana sivilizasiônina natanjaka sy nanamarika ny tantaran’ny zanak’olombelona aza ireo firenena telo ireo tany aloha ela be tany dia tsy dia fakan-tahaka firy eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Mikasika an’i Iran manokana dia efa iaraha-mahita ny fihazakazahan’ny mpitondra any an-toerana amin’ny fitrandrahana ny uranium mba hamokarana ny angovo nokleary, izay azo anamboarana baomba, i Israel kosa dia anatin’ny ady isan’andro amin’ny Palestinianina ary fantatra fa mitady tany malalaka hametrahana indray ireo jiosy maro be satria manomboka efa tery ny tany any aminy. Mety hanampy ireo ny fiaraha-miasa amin’i Singapour sy ireo firenena Arabo maro samy hafa. Dia tena izay marina ve ilay hoe fanovana, ka hovaina daholo koa ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka (ankoatra an’i Frantsa) ka hiantsapazana avokoa izao rehetra manome toky izao ? Ekena fa nisy ny asa vita, saingy mbola tena lavitra ny dia hanarenana ny fandikan-dalàna nifangaro tamin’ny fahadalana natao teto, tsy tokony hohadinoina fa efatra taona i Marc Ravalomanana no nitety izao tontolo izao nitady vola sy mpiara-miombon’antoka, ka asa hoe rahoviana no ho vitantsika indray izany, satria tsy afaka ny hionona amin’ireo firenena voalaza tetsy ambony ireo isika raha tena te handroso marina. Tena mbola lavitra ny lalana e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.