Edito

Mba henoy ny feon’ny fieritreretana e


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Malaza ho olon’ny fihavanana sy ny fifampiresahana ny Malagasy, saingy efa tonga amin’ny fifampisoparana sy ny fifamotehana mihitsy noho ny lonilony sy ny hambom-po politika.

Ny lehibe no miady, dia ny ankizy ny voaporiporitra, hoy ny fitenenana. Voaporofo mihitsy io toe-javatra io manoloana ny zava-misy mahazo ny mpiasan’ny orinasa AAA. Tsy afaka hifampiresaka sy hifandamina, ary indrindra hihaino ny feon’ny fieritreretana ve hoe Malagasy an’aliny no miaina sy mivelona ao anatiny. Aiza ho aiza amin’izany ny resaka fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovana ny Malagasy sa dia balarora hatrany hatrany ? Voizina eto amintsika ny resaka fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fiantsoana mihitsy ny mpandraharaha avy any ivelany. Fifamotehana no zary kolontsaina hampanjakaina eto noho ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza. Mandalo fotsiny anefa io, fa tsy ho mandrakizay ho eo amin’io toerana io, ka izay manenlingelina dia ho faizina, eny fa hatramin’ny mpanara-dia tsy manan-tsiny aza. Tsy hay na tsy mahay maka lesona amin’ny tantara efa nisesisesy, fa misy fetrany ihany io fanjakazana sy famotehana ny hafa io. Tsy mitsinjo ny ho avy fa ny anio ihany no sainina, ka mahavita manaotao foana sy mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka mihitsy. Ny lalana no tsy hasian-dratsy anefa, dia tahotry ny mbola hiverenana, hoy ny fomba fiteny. Kodiaran-tsarety ny fiainana, ka ny mpamotika anio mety mbola ho potika aoriana, saingy ny hirariana anefa, dia ny tsy hisian’ny fifamaliana faty lava eto. Tsy hay aloha na mba ho tonga saina ihany na hinia hanao izay saim-patany, saingy hitondra ny taolam-be tsy mitaka ihany atsy ho atsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT