Edito

Masina ny tanindrazana !


  • Zoma 30 Martsa 2018

Vao omaly isika no nahatsiaro ireo Raiamandreny « naherifo » sy « tia tanindrazana » nivonona ny hamoy ny ainy tamin’ny taona 1947 mba hahazoan’ity nosy ity fahaleovantena sy mba hiadanan’ny faramandimby.

Tsy fety iny akory fa fisaonana aza raha ny tokony ho izy. Toy ireo tolona maro nifandimby teto amin’ny firenena ihany izay efa lasa mijanona eo amin’ny fanateram-boninkazo sisa dia ity fahatsiarovana indray mitoraka ity no nanjombona indrindra. Niverina nanakona ny zava-dehibe tokony hanan-danja eo amin’ny fiainam-pirenena indray ny tohin’ilay firingan-dresaka indray maka iny ihany. Toa mahatsikaiky ny lalin-tsaina kanefa hita ho nifono fahendrena lalina ihany tamin’ity indray mitoraka ity ny antso avon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena manoloana ny zava-niseho. Iza tokoa moa no hahazo tombontsoa amin’ny fahafaham-barakan’ny mpitondra eo imason’izao tontolo izao ? Tsy ho ny firenena iray manontolo hatrany ve ? Rano raraka anefa tsy azo raofina ary adidin’ny mpikirakira vaovao ny mampahalala ny zava-misy mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka. Tsy sanatria ho famasohana ny sendra solafaka fa mba ho lesona ho an’ny hafa kosa. Tranga efa niparitaka rahateo no nampahafantarina fa tsy sanatria niniana naely indray akory. Aoka samy ho tony, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena fa mandalo fotoana mamaivay ny firenena. Mamaivay tokoa satria na ny tantara izay tokony hifandrohy amin’ny fampandrosoana sy ny fanapahan-kevitra iankinan’ny hoavy toy ny lalàm-pifidianana aza adinon’ny olom-pirenena fa takon’ny resaka fofon-kelika sy ny sary tsy nampoizina. Mbola hisy hahatsiaro ve amin’izao fa masina ny tanindrazana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT