Edito

Mandratra ny marina


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Tsy marina kosa ary ve fa misy ary maro amin’ny mpanao politika, mpitondra fanjakana ary kandida no mihevitra ny Malagasy ho dondrona ?

 

Misy kandida efa hitam-poko hitam-pirenena ary hitan’izao tontolo izao ny famotehana nataony teto kanefa dia mbola izy indray no sahy mamahan-dalitra vahoaka amin’ny alalan’ny filazana fa izy tenany no vahaolana ankehitriny. Izy izay nanary asan’olona an’alin-kisa sy nahatonga famoizan’aina mpiray tanindrazana an-jatony manerana ny nosy tao anatin’ny fotoana fohy indray no mbola sahy mandemy saina ankehitriny fa hany tompon’ny fanalahidy. Misy koa anefa ireo sasany izay efa an-taonany maro no teo saingy nampalaza ity nosy ity ho anisan’ny gisitra maneran-tany sy maloto indrindra tamin’ny fitondrany saingy noho ny fahaizany miangaly teny tsara lahatra sy fandresen-dahatra dia toy ny nampivadi-tsofina sy maso izany ka zary  toa hodian’ireo mpanao havana raha misy patsa indraindraina hoe Raiamandreny, hono, ankehitriny. Misy ny fitenenana hoe “mandia tany tsy maintsy solafaka ary miloloha lanitra tsy maintsy lena”, saingy “ny adala manesika ihany”, hoy ny fahendrena Malagasy. Dia tsy mba hahatsiaro tena hiaiky moramora hoe efa osa sy tokony hampita faneva intsony mihitsy ve sa dia inona loatra no mamy ao an-dapa ao ? Efa maherin’ny 20 taona no nitondra ny sasany. Ny hafa indray antitra tamin’ny fampanonganam-panjakana. Ny sasany moa dia mandatsa an-kolaka tanora amin’ny fanaovana kirin’antitra fotsiny kanefa dia mbola mizirizy tsy miaiky ihany. Ny marina ihany tokoa no mandratra ary tsy mahagaga raha hita ho tohina hatrany ireo mahatsiaro voadona. Any amin’ny Malagasy sisa ny baolina raha mba hahay haka lesona amin’ny tantara na tsia.

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT