Edito

Mandady ny trambo


  • Alatsinainy 29 Novambra 2010


Na dia mangingina kely aza ny fitokonana etsy sy eroa, dia tsy midika izany fa milamina ny tanàna ary mivaha ny krizy. Maro be ny zavatra tsy milamina sy sarotra ahitam-bahaolana eto. Ao anatin’izany rehetra izany dia miasa mafy miezaka ny mitady ny hevitra hampihaonana eo an-databatra ireo ankolafy politika mifanandrina ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC. Hita sahady anefa fa tsy ho mora izany fa tena mila faharetana sy fifandeferana be. Ny mampanahy ihany koa amin’izao dia sao misy miketrika zavatra hafahafa any ambadimbadika any, ka izay no mampangingina ny sehatra politika. Mandeha ny resaka tamin’ny faran’ny herinandro teo fa maro be ireo tsy maty voalavo an-kibo no miketrika fanakorontanana eto, ny tanjona dia ny hampiady an-trano ny Malagasy mihitsy. Fomba efa mahazatra aty amin’ny kaontinanta Afrikanina no re siosio fa hampiasaina mba hahatongavana amin’izany, dia ny resaka foko.

Tsaroana etoana ny nitranga tany Rwanda ka nampifandrafy sy nampifamono ny foko Hutu sy Tutsi. Ny nahafatesan’ny filoha Juvénal Habyarimana tamin’ny 6 aprily 1994 no nampirehitra ny adim-poko tany an-toerana ka olona 800 000 mahery, araka ny tarehimarika navoakan’ny Firenena Mikambana, no nampijaliana sy novonoina. Potika tanteraka taorian’io ny firenena, henjana ny asa fanarenana ary tsy mbola mikatona tsara hatramin’izao ny holatry ny lasa. Voatonontonona ho tao ambadiky ny korontana tany Rwanda io ny Frantsay, na dia tsy nisy mazava aza ny porofo momba izany. Efa nisy fotoana ihany nikasan’ny sasany hanapotehana an’i Madagasikara tamin’ny alalan’io fampirafesana ny mpiray tanindrazana io mba hisian’ny ady an-trano, saingy hafa fa tsy mitovy mihitsy amin’ny Afrikanina ny Malagasy. Rehefa difotry ny fahasahiranana anefa ka tambazana amin’ny zavatra mora sy ny olana be etsy sy eroa dia mety ho sarotra ihany ny toe-draharaha ary atahorana dia atahorana tokoa ny fipoahan’ny korontana tampoka any anaty farahamonina any.

Tsy sanatria akory mampatahotra na mampifendrofendro fa tena misy ireo vondron’olona tsy mieritreritra afa tsy ny tombontsoan’izy ireo manokana ka tsy te hahalala izany hoe hevitra na ny feon’ny vahoaka izany. Tsy hoe bado daholo ny tahaka ny fiheveran’ny sasany azy akory ny Malagasy fa maro ireo mahiratra ary mahatakatra tsara fa tsy fifandrifian-javatra ny nitranga rehetra teto tao anatin’ny 5 taona, fa manaraka drafitra mazava ka ny tanjona dia ny hitrandrahana ny harena be misy eto. Noho izany antony rehetra izany no tokony hitandreman’ny rehetra tena tia tanindrazana amin’ny zavatra atao satria kihon-dalana lehibe eo amin’ny tantaran’ny firenena no andalovana amin’izao fotoana, ka raha diso famindra eo dia izay no izy fa ny hafa no hanjaka eto ary higalabona amin’ny harena, satria variana mifanakiana sy mifandrafy ny malagasy. Manana andraikitra goavana amin’izany ny mpanao politika ka tokony handini-tena tsara ihany koa fa tsy ho jamban’ny seza sy ny vola be ka hametsy vahoaka isan’andro. Mandady ny trambo, hoy ny fomba fiteny izay ka tokony ho mailo ny rehetra, fa maro no mitsiriritra an’i Gasikara ka miandry hirika kely fotsiny hahafahany maka toerana. Maro be ny resaka mandeha ankehitriny fa misy ireo mety hovonoina atao sorona ka handrehetana ny fahatezeran’ny olona ka dia hampisavorovoro tanteraka ny toe-draharaha. Efa nitranga tany Afrika izany, ary misy manampahaizana iraisam-pirenena momba an’izany mihitsy. Aleo mitandrina tsara ihany e !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT