Milentika any

am-parahatoka ny mpitondra!


  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nahoraka ny tranga tetsy amin’ny

Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly. Niseho nandritra ny lanonana fanoloran’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mari-boninahitra amin’ny anaran’ny Repoblikan’i Madagasikara ho an’ny mpanakanto Raiamandreny isan’ny nanandratra avo ny kanto Malagasy. Solontenam-panjakana voasiotsioka sy voahompa nandritra ny fandraisam-pitenenany sy fanolorany ilay mari-boninahitra. Asa inona no mety handikana azy ireny ? Tsy vao sambany fa efa nisy olona ambony nanaovan’ny besinimaro fihetsika tahaka izao tamin’ny andron’ny fitondrana teo aloha. Raha raisina amin’ilay tranga sy ny fihetsika, misy hafatra fonosiny, fihetsika maneho sy miendrika fanehoana tsy fankasitrahana an’ilay olombelona. Mila fandraisana am-panetren-tena avy amin’ilay olom-panjakana voakasika hoe : inona no lesoka ? Inona no tsy mety tokony ahitsy? Sao hanaratsy endrika ny fitondram-panjakana ? Fahita sy fandre matetika mantsy eto amintsika rehefa misy ny tranga tahaka ireny dia raisina amin’ny hoe : mpanohitra, voakarama, fankahalana, fanakorontanana,… Ekena fa mety tena misy ireo tokoa dia ireo no antony, fa mba misy fotoana ihany koa tena fihetsika mifono hafatra lehibe mety tiana halentika am-paharahatoky ny manam-pahefana iray na ny fitondram-panjakana manontolo. Amin’ny ankampobeny sy hatramin’izay, betsaka ihany koa ny mpitondra Fanjakana tsy mahazaka tsikera, betsaka ny mivaona, betsaka ny manao fihetsika sy fiteny na fomba fitantanana manafintohina olona, betsaka ny tsy mahazaka fahefana,… Tsy voatery ny Fanjakana manontolo no olana amin’ny olom-pirenena saingy tsy azo hamaivanina sy boriboriana ny tahaka ireny, fa mitaky fisaintsainana lalina sy fanarenana ny lesoka. Efa nisafidy ny fahalalahana rahateo isika ary tsy mandehandeha ho azy ireny ka asakasak’izay voakasika ihany moa io eeeeee !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT