Hitatra hatramin’ny rahampitso sabotsy ny dian’ny iraky ny SADC, tarihin’ny Dr Leonardo Simao eto Madagasikara raha tokony ho nifarana omaly alakamisy. Mizotra araka ny niheverana azy ny fihaonana tao anatin’izay hadimiana nahatongavan’izy ireo teto izay, ka nifandimby nihainoany ny fomba fahitana sy ny tolokevitra avy amin’ny ankolafy politika samihafa eto an-toerana sy ireo diplaomaty vahiny miasa sy monina eto, izay solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany, hamahana ny krizy nitarozaka 20 volana izao. Na tsy azon’ny mpanao gazety natrehina aza ny fihaonana rehetra nandraisan’ity iraky ny SADC ity ireo mpanao politika samihafa ireo dia azo an-tsaina amin’ny alalan’ireo tatitra ankapobeny ataon’ireo nanana fotoana teny Andraharo teny ny mety ho fivoaran’ny raharaha eto.
Amin’ny ankapobeny mantsy dia mitovitovy ny voalazan’ireo mpanao politika na vondrona politika nihaona tamin’ity iraka ity fa hisy fifanarahana lasitra mety hivoaka amin’ity dian’ny SADC eto indray mitoraka ity. Misy izany ny tsirim-panantenana ho an’ny Malagasy. Ny fiitaran’ny fotoana ijanonan-dry Simao eto rahateo dia tokony ho lojikan’ny hoe mivoatra mankany amin’ny tsara ny dinika. Toa manamafy izany ny fahitana ireo mpanao politika mpanohana izao fitodrana izao niverimberina teny Andraharo teny, indrindra ireo mpikambana ao amin’ny ESCOPOL.
Izay amin’ny lafiny iray dia toa manao fihetsika manavotr’aina ihany no fahitana azy satria ho tapi-dalankaleha koa izy ireo raha tsy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena izao fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina izao. Amin’ny lafiny faharoa anefa dia azo lazaina fa nitsimbadika ny rasa, satria ireo fatra-panda sy mpitsikera ny fiavian’ity iraky ny mpanelanelana avy amin’ny SADC ity eto Madagasikara, izay notondroina fa mpanakorontana, indray ity no miady sisiny, eny milahatra mihitsy, mba horaisin-dry Leonardo Simao. Tsy hanao izay fihetsika izay anefa izy ireo raha tsy tsapany fa any no lalana. Izay anefa dia sady manome rariny no manamarina ny hevitra nijoroan’ny Ankolafy Telo hatramin’izay. Na izany aza mbola mitohy ny fifampidinihana, ny tombontsoam-pirenana sy ny vahoaka malagasy 20 tapitrisa rahateo no ambony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.