Iray volana latsaka kely dia hivory tsy ara-potoana ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC ka ny raharaha Madagasikara no tena hibahan-toerana ao anatin’izany.
Efa vita tanteraka mantsy ny asa fanelanelanana sy fandravonana ny hevitra nampanaovina ny Dr Leonardo Simao sy ny ekipany, izay tsy niverina teto Antananarivo intsony, koa dia andrasana ny mety ho fanapahan-kevitry ny SADC. Tsara homarihana fa ny fivoriambe hatrehan’ireo filoham-panjakana ihany no manapa-kevitra ao amin’ny SADC fa toromarika sy soso-kevitra fotsiny ihany ny an’ny Troika. Koa mety noho izay antony izay no nanambaran’ny filohan’ny FAT fa mbola hitety ireo firenena rehetra ao anatin’ny SADC ny delegasionina tarihany taorian’ny dia tany Namibia sy Mozambika. Miroso amin’ny hafainganam-pandeha mafimafy kokoa noho ny nisy hatrizay eo amin’ny lafiny ara-diplaomatika ny fitondrana tetezamita ankehitriny satria resy lahatra fa tsy misy afa tsy ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ihany no hampandroso ny asa sy hampandeha ny sambo ka hahatanteraka ny fifidianana.
Hiezaka ny handresy lahatra ireo filoham-pirenena hoteteziny ireo i Andry Rajoelina fa tsy misy antony tokony hikitihana intsony ilay sori-dalana fa sonia sisa dia izay no izy, izany hoe malalaka amin’izay ny lalan’ny fitondrana tetezamita ary tsy ho sarotra intsony ny fahazoana fanampiana ara-bola sy ara-teknika avy any ivelany, no sady voailika ho azy ny mpifanandrina tena matanjaka, dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izany. Satria raha io sori-dalana io no jerena dia mazava ny ambaran’ny andininy faha-14 dia ny hoe tsy afaka miverina eto Madagasikara Atoa Ravalomanana raha tsy mipetraka ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy ka ny governemanta vaovao aorian’ny fifidianana no hanapa-kevitra ny amin’ny mahamety na tsia izany fiverenany an-tanindrazana izany. Raha tsorina ny resaka dia ho tavela any Afrika Atsimo izany ity filoha teo aloha ity ary tsy afaka ny hilatsaka hofidiana filoham-pirenena raha toa ka manaiky ilay sori-dalana narafitry ny Dr Simao sy natao rangopohy teny Ivato ka tsy hanisy fanitsiana azy io intsony ny SADC izay hivory tsy ara-potoana amin’ny 20 mey izao.
Koa manoloana izany indrindra dia fantatra fa tsy mipetra-potsiny ihany koa ny ao amin’ny Ankolafy 3, indrindra fa ny ankolafy Ravalomanana fa mitaky ny hisian’ny dinika hafa, na eo amin’ireo filohan’ny ankolafy politika izany, na eo amin’ny mpanao politika amin’ny ankapobeny mihitsy mba hamoahana fehin-kevitra tena nifaneken’ny rehetra ho amin’ny fananganana rafitra tetezamita iaraha-mitantana tena izy. Ny fahaizana mandresy lahatra sy ny diplaomasia no bala farany ho an’ny andaniny sy ny ankilany satria efa tena dify mihitsy raha amin’izao fotoana ary hita fa tsy ao anatin’ny maharesy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena intsony ny fidinana an-dalambe na ny grevy etsy sy eroa. Ny fifampiresahana ambony latabatra ihany no tsy maintsy hipoiran’ny vahaolana ka izay mahay mandaha-teny sy manana hevitra mafonja no hahatafita ny heviny. Dia ho hita eo izay tena matanjaka amin’ny resaka diplaomasia na ny FAT na ny Ankolafy 3, izay efa mitatra koa amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.