Raha tsorina ny resaka dia tahaka ny hoe iraky ny devoly mihitsy ny ankolafy telo ho an’ny mpitondra tetezamita, satria sady mpandainga, mpamono olona, mpangalatra, mampiady, mampihorohoro ary tia tena sy tsy mba mieritreritra ny hafa mihitsy. Raha izay famaritana izay no jerena dia feno ny fepetra hilazana fa hanjakan’ny fanahy ratsy ireo mpitarika eo anivon’ny ankolafy telo, ary dia mieritreritra ny tenany ho madio tsy misy pentina sy voafidin’Andriamanitra hamonjy ny Malagasy, tahaka ny namonjen’i Mosesy ny zanak’Israely tany Ejipta i Andry Rajoelina sy ireo miara-dia aminy.
Mety tsy dia ho izay loatra anefa ny tena marina fa raha toa ka nisy ny tsy fetezan-javatra teto, dia samy manana andraikitra amin’io ny rehetra, saingy misy fotsiny ny somary manatombo ary eo no kelikely, fa rehefa atambatra izany dia tokony hiaiky fa samy diso, indrindra fa ireo mpanao politika sy mpitondra nifandimby teto. Diso satria tsy nahay nihaino ny tena maharary ny Malagasy. Diso satria nisaina tamin’ny resaka an-taratasy sy tamin’ny boky fotsiny. Diso satria nivavaka be loatra tamin’ny mpamatsy vola vahiny. Diso satria samy te hisongadina sy milaza azy ho mahavita azy ka nampanjaka ny hevitr’antoko na ankolafy tokana. Diso satria nihaino fotsiny fa tsy nandre tsara ny hevitry ny hafa. Diso satria nihevitra ny vahoaka ho bado sy fakana vatom-pifidianana fotsiny ary diso satria nampanantena aloha vao nikaroka ny fomba hanatanterahana ny asa.
Etsy ankilan’izay kosa anefa dia manana andraikitra amin’izao krizy izao ihany koa ny vahoaka ambaran’ny lalàmpanorenana rehetra nifandimby teto fa masi-mandidy sy tompon’ny teny farany, amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika handraisana anjara mivantana ka hifidianany izay ho mpitondra sy mpitarika azy. Mbola maro amin’ny Malagasy no manao ariary zato am-pandriana, maro no sady te ho be vola no tsy te hiasa mafy, tsy vitsy ny manonofy fa misy mihitsy ny mesia hamonjy an’ity Madagasikara ity isaky ny 7 na 10 taona, anisan’ny tompondaka amin’ny fitsikerana sy ny fanakianana ny Malagasy fa any amin’ny faramparan’ny laharana kosa raha hanolotra soso-kevitra matotra hamahana olana iray, tsy mifamonjy ny Malagasy fa mifanosika sy mifamingana, ary mbola maro no ory hava-manana, na dia efa voafitaky ny mpanao politika nandritra ny 50 taona aza ny Malagasy dia mbola mino sy manantena ihany fa hiova ary ho hendry amin’izay ny mpanao politika Malagasy fa tsy ho tia vola sy voninahitra intsony.
Tsy lahatra ny fahantrana, hoy ny antoko iray izay, ary tsy firenena voaozona izany mihitsy i Madagasikara, saingy maro loatra ny tsy fetezan-javatra mahatonga ny savorovoro sy ny krizy miverimberina eto, ka voalohany amin’ireny ny toe-tsaina sy ny fomba enti-miatrika mihitsy ny fiainana isan’andro. Hita koa fa tena mila ezaka be ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fampianarana eto, fa rehefa tsy ampy fahalalana ny olona dia mora ho an’ny mpitondra sy ny mpanao politika ny mamitaka azy. Koa iza marina ary no diso ? Iza no tena manetry tena, ary iza no manandra-tena ? Raha soa ho an’ny firenena iombonana marina no katsahana dia rariny raha miara-miresaka an-databatra ireo rehetra resy lahatra fa nanana anjara fahadisoana tamin’ny Malagasy ka vonona ny hikaroka ny vahaolana hanarenana an’i Madagasikara, fa raha mbola misy moa mieritreritra fa hainy ny zava-drehetra ary tsy mila ny hafa izy, dia azy ny azy ary tsy tokony ho gaga izy any aoriana any, raha hiverina aminy indray ny fitsaran’ny tantara !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.