Edito

Ho avy ny famaizan’ny Malagasy…


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Vao aty amin’ny hazakazaka fa tsy lasa filoha ianao dia efa potipotehanao ohatr’izao ny olona.

 

 

 Dia hiady kosa aho hiady amin’ny tsy hahafahanao mahazo fahefana. Mety izaho no tratra androany fa rahampitso mety ny hafa, hoy ilay mpandraharaha iray fanta-daza tratry ny karazana hetraketraky ny sasany rehefa tsy nanaiky hiara-dia aminy sy hita soritra ho miaraka amin’ny kandida heveriny fa afaka hijery ny tombontsoan’ny besinimaro. Misy horaisina izany ary mila fahatongavan-tsaina ho an’ny rehetra ihany koa. Ady iraisana ny fisakanana ny fahazoan’ny olona efa hita fa namotika firenena fahefana indray, ary mila faizina ireny. Afaka mandinika ny tantara tsara isika mianakavy fa sao sodoka sy jamban’ny vary sy menaka tsy mahavita taona tahaka ilay efa natao sivy taona lasa izay. Fa taiza hatramin’izay 5 taona latsaka tsy naha teo amin’ny seza azy izay no izao vao mikorapaka mitsinjo ny vahoaka madinika amin’ny entana mora, hono, e ? Tsy ratsy ny mizara sy manome fa tsy tokony hifono fanambakana satria tsy ampahafirin’ny sandan’ny harena nalaina teto ireny zavatra tsy mahavita taona hakana fom-bahoaka ireny e !  Ny zava-misy rahateo dia tsy mahatoky akory ny firenena Malagasy fa ny harena azo teto aza notaomina any amin’izay tany rehetra naleha tany ivelany ny ankamaroany, ary misy ny hananana dosie maloto any ampitan-dranomasina amin’izao fotoana izao. Ny eto an-toerana dia mipongapongatra any amin’ny Fitsarana ambony ireo dosie noho ny fanondranana harem-pirenena sy ny fahazoana harena tamin’ny fomba maloto,… Izany ve no hanavotra firenena ? Ady sy adidy iraisain’ny Malagasy ny miaro ny tanindrazany tsy hataon’ny tia tena sy mpamotika firenena ho toy ny fananana maty tompo eto. Tsy fombantsika anefa ny mamotika sy mandrava na inona na inona tsy fitovian-kevitra. Ny famaizana any anaty latsa-bato no valifaty tsara indrindra, izay efa andrasan’ny maro.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT