Ny an-tratra tsy lavo, ka eo no mbola hoe antsoy ihany koa ny raiben’ialahy, hoy ny fitenena.
Izay mihitsy no ataon’ny fanjakana ankehitriny satria ny asa, ny adidy aman’andraikitra nankinin’ny vahoaka taminy tsy vita, ka izao vao mody miana-kendry lasa samaritana tsara fanahy. Mamy tokoa mantsy ny mitsentsitra sy migalabona amin’ny vola sy harem-pirenena eo amin’ny fahefana eo, ka dia kotrehina daholo izao fomba maloto hifikirana amin’ny fahefana izao. Mandeha ny lango malefaka sy fampanantenana paradisa ho an’ny Malagasy. Ny nifehy ny vidim-piainana fa tsy mba ny hoe nampidina akory aza tsy vita, mainka fa ny vahaolana mba hampiadanana ny ambanilanitra. Ny sandam-bola mitsotsorika andro aman’alina ka tafakatra 4000Ar ny Euro iray, ny mpandraharaha vao mainka volosana amin’ny vidin-jiro kanefa mirehareha fa efa mamokatra 182Mgh ankehitriny. Ny orinasam-bahiny izay tsy mikendry afatsy ny haka tombony no hireharehana, fa ny an’ny tena toa efa tratran’ny fomba fiteny hoe: valalan’amboa, ka ny tompony aza tsy tia. Toa zary lasa orinasa fanaovan’ny mpitondra bizina sy kitranoantrano sisa ny Jirama. Izany ve no atao hoe miasa sy mahavita ? Voizina indray ankehitriny ny hoe: “roso ny dia” sy ny hoe “fisandratana mirindra”. Tsy hay intsony hoe miroso mankany amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izany isika, ary ny mpitondra kosa hisandratra mankany amin’ny fitomboan-karena sy ny fitohizan’ny afera malotony. Na inona na inona ambara, na inona hotantaraina, dia niha nitotongana hatrany fiainan-dRamalagasy, ary tena miha sahirana andro aman’alina ny fiainany, ka raha mbola ity fanjakana ity hatrany no antenaina ho vahaolana, dia efa naman’ny mandavaka lavaka hilevenana ny Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.