Arakaraka ny tohivakan’ny krizy teto amin’ny firenena no nahatsikaretana fa nitombo hatrany ny fahapotehana ara-batana, indrindra ara-moraly sy ara-panahin’ny vahoaka malagasy. Tamin’ny tolon’ny 1947 dia vitan’ny Gasy ny nanohitra basy aman-tafondro tamin’ny tanam-polo.
Tao ny maty voatifitifitra. Ireo voatifitra fa tsy maty aza dia mbola niverina nitsangana indray nanohitra satria tsy te hanan-taranaka fadiranovana na dia mamy aza ny aina. Tamin’izany no nipoiran’ny fomba fiteny voatahiry ankehitriny hoe « alika ny vazaha ». 1972, 1991,2002 mandrak’ankehitriny anefa dia samy milaza daholo fa manaiky ampiadian’ny vazaha isika. Tsy sanatria fankahalana vahiny fa raha tena resy lahatra amin’izany tokoa ary isika, inona no antony hanekena fotsiny ny fampiadiana ny samy malagasy ? Efa tsy ady na tolona amin-kerim-batana loatra intsony anefa no misy fa ady ara-moraly saingy mahagaga hoe inona ao an-tsaintsika ao no maty no toa teoria sisa mijoro fa tsy hita akory izay fandraisana andraikitra. Nandalo ny fiforetana anaty sy ny fitadiavana ny very fa isika ankehitriny ity toa lasa manary ny hita. Niha mafy ny krizy ary niha niakatra hatrany ny vidim-piainana saingy tsy hitantsika izay fomba hamerana azy mba tsy hidangana. Tena anjaran’ny mpitondra samirery ve ny miady amin’izany na dia ekena aza hoe tsy mandray ny andraikiny araka ny tokony ho izy tokoa ary izy ? Iza no hanangana ny maty any an-tsikalam-pieritreretantsika any ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.