Edito

Hanangana ny maty


  • Talata 03 Aprily 2018

Arakaraka ny tohivakan’ny krizy teto amin’ny firenena no nahatsikaretana fa nitombo hatrany ny fahapotehana ara-batana, indrindra ara-moraly sy ara-panahin’ny vahoaka malagasy. Tamin’ny tolon’ny 1947 dia vitan’ny Gasy ny nanohitra basy aman-tafondro tamin’ny tanam-polo.

Tao ny maty voatifitifitra. Ireo voatifitra fa tsy maty aza dia mbola niverina nitsangana indray nanohitra satria tsy te hanan-taranaka fadiranovana na dia mamy aza ny aina. Tamin’izany no nipoiran’ny fomba fiteny voatahiry ankehitriny hoe « alika ny vazaha ». 1972, 1991,2002 mandrak’ankehitriny anefa dia samy milaza daholo fa manaiky ampiadian’ny vazaha isika. Tsy sanatria fankahalana vahiny fa raha tena resy lahatra amin’izany tokoa ary isika, inona no antony hanekena fotsiny ny fampiadiana ny samy malagasy ? Efa tsy ady na tolona  amin-kerim-batana loatra intsony anefa no misy fa ady ara-moraly saingy mahagaga hoe inona ao an-tsaintsika ao no maty no toa teoria sisa mijoro fa tsy hita akory izay fandraisana andraikitra. Nandalo ny fiforetana anaty sy ny fitadiavana ny very fa isika ankehitriny ity toa lasa manary ny hita. Niha mafy ny krizy ary niha niakatra hatrany ny vidim-piainana saingy tsy hitantsika izay fomba hamerana azy mba tsy hidangana. Tena anjaran’ny mpitondra samirery ve ny miady amin’izany na dia ekena aza hoe tsy mandray ny andraikiny araka ny tokony ho izy tokoa ary izy ? Iza no hanangana ny maty any an-tsikalam-pieritreretantsika any ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT