Ny hoavy no hitsara!

Nahatsiarovana ny repoblika


  • Alarobia 14 Oktobra 2026

malagasy voalohany ny 14 oktobra

1958 fa nahatsiarovana ny nandraisan’ny fitondràna fanavaozana fahefàna koa, etsy ankilan’izay, ny datin’ny 14 oktobra 2025. Fotoana izay nanaovan’ny filohan’ny fanavaozana fianianana tao amin’ny Fitsaràna avo momba ny lalàm-panorenana tetsy Ambohidahy. Ankoatran’ny hoe fahatsiarovana ny tantaram-pirenena tamin’ny 68 taona lasa izany, izay nilazàna fa nanana filoham-pirenena voalohany i Madagasikara na nanana fanevam-pirenena sy volany manokana anaty repoblika sy ny tahaka izany, sy ny hoe fotoana hahatsiarovana ny nidiran’i Madagasikara tamin’ny zioga vaovao napetraky ny frantsay, izay nanandevo azy an-taonany maro koa io, dia hahatsiarovana ny kihon-dalana vaovao nolalovàn’ny firenena vao herintaona katroka lasa koa ity andro anio ity. Heverina fa tsy voatery ho natao hidirana lalina be ny tena mety ho hery manosika ny filohan’ny fanavaozana na koa ireo mpitondra miaraka aminy sy mpiaradia aminy hanamarika ny datin’ny 14 oktobra saingy heverina ho tsara ho tsiahivin’ny olompirenena tsirairay ihany kosa anefa ny fisian’ireo daty miisa 2 mifanandrify ireo. Tokony ho marihina ve sa tsy tokony? Tokony ho ankalazaina ve sa tsy tokony? Adihevitra be nandritry ny andro maro izany teto. Ny tapaky ny mpitondra aloha izay dia io. Ho marihina anio ny fahatsiarovana. Ny amin’ny taona hoavy mbola ankamantatra. Hitondra inona ho an’ny firenena koa ity fomba vaovao ity? Mbola ho hita koa izay amin’ny hoavy. Na tiana na tsy tiana anefa dia averina ihany hoe mba nisy fomba iray nahafahana nitahiry tantaram-pirenena ho an’ny taranaka rahampitso indray aloha izany androany. Tantara izay hampahafantatra ny heverina ho tombony sy fahavoazana tao anatin’ireo tranga nisy na ny tamin’ny 68 taona lasa io na ny vao tamin’ny taon-dasa. Izay very tantara tsinona, hoy ny mpandinika sady mpanakanto iray izay, ho ratsy fiafara ka dia ny tantara tokoa izany no hitsara indray hoe nety ve sa tsia izy teo? Ny hoavy no hitsara!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Firenena iaraha-manana!
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Isan’ny nanamarika ny fitondràna

  • Aleo miverina!
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Samy manaiky ny mpanara-baovao,

  • Manangana efitra !
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Tsy dia vaovao amin’ny

  • Miandry fifampidinihan
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

a! Ny tena marina moa izany,

  • Singam-bolo
  • Talata 20 Oktobra 2026

mandavo ny vositra !

  • Edito
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mila mahay mifanoro!

Hijery ny tohiny
FTT