Singam-bolo

mandavo ny vositra !


  • Talata 20 Oktobra 2026

Mafampana ireo tranga manodidina

ny politika sy ny fitantanan-draharaham-panjakana tato ho ato, ary nisy ny tena niteraka adihevitra tsy ifankahitana, lasa bala ho an’ny mpanohitra hamelezana ny Fanjakana,… izay zary ny Fanjakana foibe hatrany na ny Filoham-panjakana no hiandronan’ny rihitra farany satria izy no lohan’ny Firenena. Mety efa lefilefy saingy niaraha-nahalala ny resaka sarivongana tany Antsohihy izay nororitina tany amin’ny zavatra tsy izy aza ny an’ny sasany. Ny Fanjakana manontolo no voahenjika, ary nororitin’ny mpanohitra ho tandindin’ny fahalemena sy fomba fiasan’ny Fanjakana. Endrika iray iny, fa ny tena goavana dia ny raharaha fahavotsorana teratany sinoa miisa 11. Hatreto, tsy hita intsony izay marina sy diso, fa tena ny ady ara-tserasera na « guerre de communication » no mandeha, indrindra eny amin’ny tambajotran-tserasera eny izay hifanasana vangy mihitsy. Mitombo ireo olona virtoaly na kaonty fako miasa, miparitaka sy aparitaka ny taratasy samihafa,… Toa lasa mivaona any amin’ny resaka mirefarefa, dia samy mifanasa vangy eny, dia miezaka manao serasera sy fanadiovan-tena eny,… Tsy fantatra intsony izay marina sy diso, fa dia valalanina ny rehetra. Ny Filoham-panjakana no zary ifaharan’ny rihitra, ny mpanenjika fitondrana manao izay danin’ny kibony amin’ny fanenjehana sy teny tsy voahevitra hatramin’ny ompa aza. Na tiana aloha na tsy tiana, na iza meloka na iza diso, na iza nibaiko na iza irakiraka,… dia zary lasa ny Fanjakana manontolo no voasoketa, ny fitantanan-draharaham-panjakana no lasa ratsy endrika, hany na eo aza ny fanehoan’ny Filoha fa hametraka Fanjakana tsara tantana, hanamafy ny ady amin’ny kolikoly dia ireny toe-javatra ireny no miseho. Mila harenina, mila jerena ny fositra,… mba tsy sanatria ireny no singam-bolo mandavo ny vositra, na ho fandoto iray tandroka handoto ny rano iray siny,… hanimba ny ezaka sy asa ary fanamby efa napetraka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Firenena iaraha-manana!
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Isan’ny nanamarika ny fitondràna

  • Aleo miverina!
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Samy manaiky ny mpanara-baovao,

  • Manangana efitra !
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Tsy dia vaovao amin’ny

  • Miandry fifampidinihan
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

a! Ny tena marina moa izany,

  • Edito
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mila mahay mifanoro!

  • Ny hoavy no hitsara!
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nahatsiarovana ny repoblika

Hijery ny tohiny
FTT