Taorian’ireo fanehoan-kevitra maro nialohavan’ny dinika sy fihaonana politika nandrafetana ireo atao hoe sori-dalana dia manomboka mizara ny hevitry ny olona amin’izao fotoana. Hamaha krizy marina ve ny fanaovana fifidianana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ? Ho an’ireo tsy manadino ny tantara dia niteraka olana teto amintsika foana io fifidianana io. Ny fahalanian’ny amiraly Ratsiraka tamin’ny isam-bato mavesatra tamin’ny 1989 no nitarika ny firodanany tamin’ny 1991 ka nipoiran’ny krizy, dia mbola niverina indray io tamin’ny 1997. Samy nanantena ny rehetra raha natao ny fihodinana faharoa fa mbola ho voafidim-bahoaka fanindroany ny profesora Zafy Albert, saingy nitsimbadika tampoka ny voka-pifidianana dia tafaverina teo amin’ny fitondrana ilay nambara fa namono vahoaka tamin’ny 10 aogositra 1991. Fotoam-piasana iray ihany no vitan’ny amiraly dia tonga ny 2001 ka nampisandratra ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena.
Tsy moramora anefa ny lalana tamin’izany fotoana fa tena nifandroritana ny voka-pifidianana, ary samy nilaza ny ho naharesy ny roa tonta. Nafindra tany amin’ny Hotely tany Mantasoa ny HCC namoaka ny voka-pifidianana ny 25 janoary 2002 ary nilaza fa tsy maintsy hirosoana ny fihodinana faharoa. Tsy nanaiky an’io anefa ny mpomba an-dRavalomanana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, nalaza nanomboka teo ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra ary dia nambara ampahibemaso tamin’ny fomba ofisialy ny 6 mey 2002 fa nandresy tamin’ny fihodinana voalohany i Marc Ravalomanana. Taty amin’ny 2006 indray dia maro no tsy nanaiky fa hoe nandresy tamin’ny fihodinana voalohany ny filoha am-perinasa, ary tena nanomboka teo mihitsy ny tetika amin’ny hanonganana azy ao anatin’ny roa taona. Zava-nisy daholo izany, koa mampanontany tena ny mpanara-baovao politika ihany amin’izao vanimpotoana mbola mampisamboaravoara ny sambo izao raha tena fahendrena ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana rehetra amin’ity taona ity.
Tsy dia hoe ny fahamaroan’ny mpanara-maso na ny fahabetsahan’ny tetibola ampiasaina no inona fa ny fahavononan’ny rehetra amin’ny fiatrehana ilay fifidianana sy ny faharesen-dahatry ny rehetra ihany koa amin’ny vokatra hivoaka eo. Ka tsy ho avy intsony ilay hoe hala-bato io, na hoe andao aloha averina ny fanisam-bato, na ihany koa atao indray ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra. Tsy ny vahoaka mihitsy akory no lian’ady isaky ny vita fifidianana, fa ny mpanao politika no mahita hirika foana handranitana ny mpanara-dia azy mba hifanandrina amin’ny vondrona politika hafa nifaninana taminy tamin’ny fifidianana. Toetra iraisan’ny mpanao politika aty Afrika rehetra io. Rombo hatrany aorian’ny fifidianana fa tsy mba misy fifandimbiasam-pahefana milamina izany mihitsy. Ho an’ireo tena mafana ra moa dia miafara amin’ny adim-poko sy ady an-trano izany, koa ireo orinasa vahiny no mahazo tombony amin’ny fivarotana fitaovam-piadiana hifamonoan’ny samy Afrikanina. Tsy mbola tonga eto Madagasikara izany savoritaka izany, saingy efa tsy lavitra intsony raha toa ka mbola ny fitiavan-tena sy ady seza ihany no mibahana ao an-tsain’ireo mpano politika.
Tsy tokony hohadinoina fa sady mahay mandamina no mahay manakorontana ny vazaha, ka tokony ho mailo sy malina ihany ny Malagasy fa tsy hanaiky horebireben’izao karazana sori-dalana rehetra izao. Tsy ny sori-dalana no zava-dehibe fa ny fifanarahan-tsaina sy ny fifandeferana eo amin’ny samy mpanao politika sy ny samy vahoaka mba hahamafy fototra ny filaminana ao anatin’ny fiarahamonina, izay vao hirindra avokoa ny asa rehetra atao ka tsy ho olana fa vahaolana amin’izay ny fifidianana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.