Tsy alohalika intsony, fa efa an-tendakely ny ranombary. Miandry fahagagana ny fanjakana eo anatrehan’ny tolom-bahoaka tarihin’ny depiote.
Efa manomboka malefaka fiteny ny sasany, ka milaza fa vonona amin’ny hananganana governemantan’ny firaisam-pirenena hono. Ny sasany indray angamba mbola mikenonkenona fatratra any an-dapa any, ka mihevitra fa mbola hahomby ny don-tandroka, raha jerena amin’ny firesaky ry Rivo Rakotovao sy ny tariny. Na koa manantena fahagagana fa ho eo hatrany na efa hesorin’ny vahoaka aza e! Mbola niseho indray ny fihantsiana ady tamin’ny alalan’ny famoahana didy mandrara ny hetsika any amin’ny faritany tarihin’ny depioten’ny fanovana. Etsy an-kilany anefa, halefa ihany ny iraka eny antsefantsefany eny, hiantso fifampidinihina, ka dia mivadibadika toy ny tanalahy ihany ity fomba firesaka sy ny fihetsika atao ity. Efa ao anatin’ny fanjakana ambivitra mbola mihantsy ady sy manao rahom-bava hatrany, ka tsy efa mamingana an-dRajaonarimampianina ankitsirano ve izany? Io don-tandroka sy fanamaivanana ny hafa no isan’ny tena poizina nanimba ny HVM, ary tsy mba misy izay tena filefahana eo anatrehan’ny efa fahalemen’ny tena, fa dia hery efa tonta tsy mahatohitra herim-bahoaka sisa hiniana arangaranga, dia ilay don-tandroka efa tsy mahomby intsony. Mba iza ao anaty fanjakana ao tokoa moa izany no tena afaka hiaro ny hevitr’izy ireo miainga amin’ny faharesen-dahatra fa tsy ny vola miampy tombotsoa? Mby aiza amin’izao fotoana izao ireo mpikarama an’ady samihafa mpiaro fanjakana? Ny sasany efa toa manomboka manao fitan-droa satria tsy te ho tratra farany, ka toa kakerin’ny amboakely tiana sy main’ny afo natsangana ihany ny fitondrana. Miantehitra amin’ny fiarovam-bahiny sisa Rafanjakana, saingy mazava io ny hafatra hoe: tsy ny Afrikanina velively no hananatra ny Malagasy, ary tsy miova ny tanjona dia ny hoe miala Rajao. Fahagagana sisa antenaina, fa raha ny ain’ny fanjakana efa ambivitra!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.