Edito

Fa inona ihany ary ity e ?


  • Alarobia 13 Aprily 2011

Toa manangasanga indray ny krizy vaovao hafa taorian’ny olana eo amin’ny sehatry ny fitsinjarana ny solika eto amintsika.

Tsy misy ny vahaolana tena maharitra raha ny fahitana ny fifampidinihana rehetra hatramin’izay fa dia vahaolana vonjy tavanandro fotsiny no nivoaka tamin’ny marimaritra iraisana. Ain-dehibe iankinan’ny fiainan’ny firenena sy ny mponina ao aminy anefa izy io. Raha mbola nizotra tsara aza ny fitsinjarana ny solika teto amintsika dia efa nanahirana ny fiakaran’ny vidin’entana teny an-tsena, koa raha sanatria hisy na hitohy na hitatra io olana io dia mety ho raharaha ihany no hitranga eto satria tsy maintsy hiakatra avokoa ny vidin’entana, ny mpanararaotra rahateo misy foana. Eo amin’ny sehatry ny fampianarana indray dia mbola ankamantatra ny fanombohan’ny fampianarana eny amin’ny oniversite ary toa hoe miandry izay fanapahan-kevitr’ilay “conseil scientifique”.

Ny tontolo politika ao anatin’izany rehetra izany dia mody tony saingy tsy mbola tena milamina. Ny ankilany milaza fa mitohy ny lalana, efa ho azo tsy ho ela ny fankatoavana ary fifidianana roa no tsy maintsy hovitaina amin’ity taona ity. Hahazo fanampiana sy fanohanana avy any ivelany isika ary azo antoka fa hadio sy hangarahara ny fifidianana ho avy eo. Ny andaniny kosa dia tsy miova amin’ny heviny hatramin’izao. Milaza izy ireo fa tsy araka ny tokony ho izy ary tsy handamina velively ny krizy ilay sori-dalana nasiana rangopohy teny Ivato, mitaky hatrany ny hanatanterahana ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy ny mpanohitra ary mieritreritra mihitsy fa tokony hanoratra fifanarahana politika vaovao isika fa tsy mety ny teo aloha satria manome vahana be loatra an’i Andry Rajoelina.

Ao anatin’izany rehetra izany dia tsy tena mazava ny fomba fijerin’ny avy any ivelany ny raharaha eto Madagasikara, hita ho misabaka izany ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy sahy manapa-kevitra toy ny nataony tany Cote d’Ivoire ka nanafihana sy nisamborana ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo. Olana noho ny voka-pifidianana tsy nampifanaraka ny andaniny sy ny ankilany no nitranga tany, izay azo vahana tsara amin’ny alalan’ny famerenana ny fanisana ny vato na ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra tahaka ny natao teto tamin’ny 2002. Ny nisy teto Madagasikara anefa dia fanonganam-panjakana nataon’ny mpanao politika niaraka tamin’ny ampahany tao amin’ny foloalindahy, izany hoe hetsika tsy ara-dalàna. Ny SADC dia toa tsy maika ny hamaha ny krizy eto fa hiandry ny fivoriana tsy ara-potoana amin’ny faran’ny volana mey vao handinika ny zavatra hatao amin’i Madagasikara, i Lafrantsa mihazakazaka mafy mandefa izao karazan’olona sy fikambanana rehetra izao mba hanao izay hanatanterahana haingana ny fifidianana. Mety maika hampandany ny saribakoliny angamba izy, hoy ny mpanara-baovao politika. Ny Amerikanina hatramin’izao dia mitsipaka ny zavatra rehetra nataon’ny Fahefana avon’ny tetezamita ary milaza fa marobe ny tsy fanajana ny zon’olombelona nitranga teto.

Fanina tanteraka ny olon-tsotra ary manontany tena hoe : fa inona ihany ary ity e ? Ao ireo manomboka ratsiratsy fomba fijery ka maminavina fa misy mitady hanakorontana i Madagasikara mba hahafahana mitrandraka tsimoramora ny harena be misy ao aminy. Raha ny fahitana ny zavatra rehetra mitranga tamin’ny 2009 no ho mankaty mantsy dia mitovy tanteraka tamin’ny zava-nisy tany amin’ny firenena Afrikanina maro no misy eto amintsika, izany hoe misy fitakiana sy fidinana an-dalambe miatrika fanonganam-panjakana, apetraka ny fitondrana tetezamita tsy refesi-mandidy hikarakara ny fifidianana, natsangana ny CENI, nolaniana haingana ny lalàmpanorenana, ary hihazakazahana ny fanaovana ny fifidianana, dia ho avy avy eo ny fifandirana noho ny voka-pifidianana. Ho tonga eto ihany ny korontana sy ny savorovoro ary ny ady an-trano raha tsy mitandrina ny mpitondra sy ny mpanao politika, satria tena fetsy ny vahiny ary mahita tetika hafa foana hampanjakana ny heviny sy hiarovana ny tombontsoany !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT