Tontosa indray iny ny fivoahan’ny filoham-pirenena Malagasy tany andafin’ny riaka andiany fahefatra tao anatin’izay 80 andro latsaka kely nandraisany ny fitondrana izay.
Hiteny hoe tontosa soa aman-tsara, toa manalasala. Inona moa izany no tena tombony ho antsika tamin’ireo dia rehetra nivoahan’ny filoham-pirenena sy ireo delegasioniny marobe tany ivelany tany, indrindra ireo dia miisa roa farany natao tatsy Maorisy sy Senegaly. Ny nisongadina indrindra tamin’ireny rehetra ireny aloha dia ilay izy nandaniana volam-bahoaka ary amin’ny ankapobeny dia hanatrika fety no tena votoatin’ireo dia 2 farany. Raha nisy ny fifanarahana natao tamin’ireo firenena efa nihaonana ireo dia saika niteraka ahiahy teo amin’ny be sy ny maro avokoa fa tsy nijanona tamin’ireo mpandinika sy mpamakafaka raharaham-pirenena ihany. Raha tsy hiresaka ilay hoe fampindramana tany an-dry zareo maorisianina fotsiny. Fa angaha moa tsy efa vina matipaika ny IEM an’ny filoham-pirenena no mbola tovanana zavatra hafa avy amina firenen-kafa indray ? Somary nahagaga ihany ny nahita ny filoham-pirenena nampahafantatra boky hafa nomena firenena rahavavy izay toy ny tetikasa tanàna vaovao eto ankoatra ny efa voarakiny anatin’ny boky nikaotiany ny vahoaka Malagasy tamin’ny propangady. Hatreto, mampametra-panontaniana hoe aiza ihany no tena fitombin’ireo tetikasan’izao fitondrana mijoro izao ? Ny hany noventesin’ny filoham-pirenena dia ny hoe tamin’ny 10 taona lasa dia ny hitondra olana no naleha taty Senegal, izay somary nahamenatra ihany, saingy amin’izao kosa dia “invite d’honneur” na hoe voaasa am-boninahitra isika aty. Sambany teo amin’ny tantara, hono, izany Madagasikara voaasa am-boninahitra tao Sonegaly izany. Ny voninahitra izany no lehibe indrindra. Naka sisiny daholo aloha ny fery navelan’ny tantara teo amin’ny roa tonta ary voninahitra ho antsika ny niara-nankalaza tamin-dry zareo ny fetim-pireneny na dia niaraha-nahalala izao aza fa aina Malagasy maro no nalatsaky ny razamben’ity firenena novangiana farany ity ary andro vitsy monja nialoha ny fetin-dry zareo no nahatsiarovana azy. Tsy sanatria fandrangitana fifandrafiana eo amin’ny firenena roa tonta fa mipetraka kosa ny fanontaniana hoe nahazo voninahitra marina ve ny firenena Malagasy sy ny razambeny tamin’iny fihetsiky ny filoham-pirenena sy ny delegasioniny farany teo iny ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.