Edito

Edito Hambompom-pirenena


  • Zoma 05 Aprily 2019

Mitokona ny rafi-panjakana rehetra. Miverina apetraky ny mpanara-baovao indray ankehitriny izay fanontaniana izay manoloana ireo hetsika manambana teo aloha teo.

 Ao moa ireo mbola mitohy ary ao ireo miato vetivety. Etsy an-kilany dia mbola mitohy ireo sary maneho ny maha lasa firenena mibanaka fidiran’ireo akora lany datim-bahiny an’i Madagasikara. Eo ny fiaraha-miasa amina firenena efa niteraka resabe teto isan-karazany saingy hany mpamatsy ny fitondrana ankehitriny ve ka tsy azo ialana na dia mamofompofona fivarotan-tanindrazana an-kolaka aza ? Vary mora mampiahiahy ny maro no hanambazany. Tetikasa amina velaran-tany midadasika ny an’ny sasany, izay efa mitady hanao tohivakana. Volena indray mihitsy ve ireo savorovoro izay efa hita ho miha lalim-paka sa inona no tena tanjon’ireo mpitondra antsika ? Hafa no lazain’ny vava kanefa hafa no hetsika atao. Hambompom-pirenena no resahana kanefa dia tovovavy lehibe tany amin’ny firenena nanjanaka ny an’ny tena fahizay, tsy mahalala akory ny kolontsaina eto na dia ny tenin-drazany aza ary tsy menatry ny manambany izany no tendrena hisolontena ny firenentsika any ivelany any. Vao nandray fitenenana dia fanompana ny maha izy azy ny fihaviany sisa no hita tsy nataony. Fitenin’ny filoham-pirenena moa hatramin’ny fotoana mbola nanaovany fampielezan-kevitra ny hoe ny an’ny zoky raiamandreny ny lasa ihany na koa ny hoe ny an’ny zoky raiamandreny ny hitrosa amin’ny FMI sy ny banky iraisampirenena hatrany. Izany angamba no antony nanekeny avy hatrany ny ho any senegaly, fotoana fohy taorian’ny fankalazana ny datin’ny 29 martsa 1947, satria fery efa nikatona ny senegaly nampijaly Malagasy niaraka tamin’ny frantsay. Izay koa no antony nanatonany ny FMI sy ny banky iraisampirenena ankehitriny mba hitangirihana famatsiam-bola ? Hambompom-pirenena daholo ireny. Valalanina ihany ny mpanara-baovao na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany raha nahita ny sarin’ireo delegasionina Malagasy nanatrika ny fivoriana iraisampirenana nadraisan’izao fitondrana izao anjara voalohany. Hahagaga tokoa ve moa ny fanontaniana nipetraka tany anaty tambazotran-tserasera maro samihafa tamin’izany raha nanao hoe iza avy ireto? Mba hahafahan’ny rehetra misaina ny hoavy dia andeha mba hajaina amin’ity indray mitoraka ity ny hetahetan’ny filoha ny amin’ny tsy tokony hijerena ny tany aloha. Adala ve ny mpahay tantara raha manambara fa adidy ny mitadidy ?

J. Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT