Dia mitombo hatrany ny zavatra asiana rangopohy eto amintsika, saingy mitoetra ny krizy ary tsy mbola tena hita hatramin’izao ny vahaolana mandresy lahatra ny maro an’isa. Ny tena marina kokoa dia tena manova olona ny fahefana, ary sarotra ny mandefitra rehefa nahazo voninahitra izay ny olona iray. Tsara homarihana aloha fa rangopohy no natao omaly teny Ivato fa tsy sonia, maro mantsy no mety diso hevitra na minia mihitsy mandiso hevitra ny sasany tsy tena mahalala tsara ny zava-misy marina. Tsy maintsy mbola mila sonia ny rangopohy vao tena manankery, saingy ho an’ny eto Madagasikara manokana moa dia efa lasa zatra amin’ny zavatra sampontsampona sy tsy manara-dalàna ny olona tato anatin’ny 2 taona mahery izay, ka ny fotsy lasa mainty, ary ny mainty ambara fa fotsy.
Efa novelabelarina teto ihany fa tsy hoe ny isan’ny antoko na fikambanana politika manao sonia na mametraka ny rangopohiny amin’ny sori-dalana akory no inona ka midika avy hatrany fa mivaha ny krizy, fa kosa ny faneken’ny rehetra, indrindra fa ireo voakasika mivantana tamin’ny raharaha 2009 ny maha mety sy mitombina ny sori-dalana na drafitra atolotra eo, ary manaraka izany moa dia ny fahavononana hampihatra sy hanatanteraka izany miampy ny fanomezan-toky fa tsy hisy intsony ny hitsivalana amin’ny lalana. Mialoha ireo rehetra ireo dia tsy maintsy tanterahana ny fepetra rehetra tena hampisy ny fitoniana, ka tafiditra ao anatin’izany ny resaka fampihavanam-pirenena.
Miara-mahita anefa ny maro fa tsy mbola feno ireo fepetra ireo kanefa dia nirosoana ihany ny fanaovana rangopohy teny Ivato, satria mandeha ny feo fa maika sy dodona amin’ny fananganana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena ny FAT eo ihany koa ny fanovana endrika ny parlemanta efa misy amin’izao fotoana, satria, hono, araka ny feo mandeha ihany dia efa misy firenena vahiny any ho any nampanantena fa vantany vao vita io dia ho avy ny volabe ho fanampiana ny fitondrana tetezamita amin’ny fikarakarana fifidianana sy ny fampiodinana ny toekarem-pirenena. Henjana dia henjana ny ady varotra ambony latabatra eto an-toerana sy any ivelany momba ity fitondrana tetezamita ity, ary tsy takatry ny sain’ny vahoaka izany, vahoaka izay efa sempotry ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny asan-jiolahy etsy sy eroa.
Misy ny nanome toky an’i Andry Rajoelina avy any ambadibadika any ka nahatonga azy sahy amin’ny zavatra ataony amin’izao fotoana, tsy tokony hahagaga ny mety ho fiovan’ny fomba fijerin’ny mpanelanelana iraisam-pirenena tonga eto amintsika sy nandrafitra ilay sori-dalana, satria mety mba tratry ny tsindry bokotra ihany koa izy ka lasa nanao ny tsy fanao. Tsaroana etoana ny savorovoro nateraky ny fanambarana sy ny fehin-kevitra navoakan-dry Tiébilé Dramé sy Ablassé Ouedraogo tamin’ny 2009, izay sahy nilaza avy hatrany tamin’izany fotoana fa i Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita, na dia efa neken’ny rehetra izao aza fa fanonganam-panjakana no nisy teto.
Dia ho hita eo ny ho tohiny, fa ny mibaribary aloha dia sarotra ny mamaha krizy politika izany, raha toa ka ailika ny olona, na antoko na ankolafy nitondra teo aloha, na dia hoe voaongana aza izy ireo sy ambara fa naloan’ny vahoaka. Azo atao tsara ny mamadika ny olana ho vahaolana, fa mety tena ho lasa olana goavana koa ny olana iray rehefa hialana sy hiviliana lalana foana. Tsy mbola voavaly foana ny fanontaniana hatramin’izao : fa inona marina no antony hanakanana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto, i Andry Rajoelina sy ny FAT marina ve no vato misakana izany fiverenana izany sa iza ? Efa hatrany am-boalohany anefa no mazava ny resaka fa manana ny anjara birikiny tena goavana amin’ny famahana ny krizy ity filoha teo aloha ity, izay tena mbola maro mpanohana na dia eo aza ny fanakantsakanana isan-karazany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.