Toa lasa samy maka ho azy izany ny olona raha ny fahitana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana. Hita ho efa leon’ny savorovoro sy ny sangodim-panina ny vahoaka ka tsy dia miraika firy intsony amin’ilay resaka politika, satria tsy dia tena misy hoe tranga iray lehibe misongadina miseho. Mba nandrasan’ny rehetra izao tamin’ity herinandro ity ny fiverenan’Atoa Didier Ratsiraka, kanefa dila ihany ny fahatsiarovana ny tsingerin-taona nahaterahany fa tsy nipoitra ny amiraly. Mba niova kely tamin’ny mahazatra ny ankolafy telo ka tafiditra teny amin’ny kianjan’i Malacam, saingy mbola nofinofy aloha hatramin’izao ny fidirana ao amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, ary dia toa lasa ambohitsitody mihitsy raha ny eny satria hentitra dia hentitra ny fandavan’ny manampahefana. I Dada moa dia tsy dia re feo firy intsony, saingy nanome toky fa tsy ho ela intsony dia hifarana ny tolona ary hifankahita tava amin’ny vahoaka malagasy ny tenany. Amin’ny andavanandro indray dia mafy ny fiainana ary tsy milamina ny tany.
Tsy maintsy handrenesam-baovao momba ny fanafihana mitam-piadiana sy fikasana haka an-keriny ary fanakanana taksibrosy eny amin’ny lalam-pirenena ny vaovao. Any Alaotra aza moa dia lasa lamaody indray nanomboka tamin’ny fetin’ny maty ny 1 novambra lasa teo ny fangalarana ny varavaram-pasana. Manampy trotraka izany rehetra izany ny hafanana migaingaina, dimbiasan’ny oram-baratra. Lasa fanampin-tsakafo ho an’ny mponina an-drenivohitra koa ny rivotra maloto matevin’ny setroka sy ny loto mandravaka ny tanàna. Efa zary mahazatra isan’andro ihany koa ny fanambarana fanohanana, na fanoherana avoakan’ny fikambanana isan-karazany. Hita ho mbola manjavozavo be ihany ny lalàna ary tsy mbola ho rahampitso no hivaha tanteraka ny olana, na dia eo aza ny fampanantenana sy fankaherezana isan-karazany.
Tsy vitan’ny hoe Ambohimahadizina araka ilay hiran’i Samoela intsony ny eto amin’ny tanàna fa lasa Ambohimahaditsoka ihany koa. Sady fanina no tsy mahita ny lalan-kombana ramalagasy, fa mbola variana amin’ny ady seza sy ny adivarotra politika. Raha ny tena marina dia mbola mikatso eo amin’ny fizarana ny toerana ho amin’ny tena fiaraha-mitantan’ny tetezamita ny resaka amin’izao fotoana, ary raha misy indray ny fifampidinihana dia azo antoka fa hiverina hatrany am-boalohany ny resaka satria mbola maro be no tsy mampitovy hevitra. Na dia efa manomboka dizina sy ditsoka aza anefa ny maro dia tsy tokony hihazakazahana ihany ny fandaminana ny raharaha satria tsy midika filaminana sy fitoniana mihitsy ny fahavitan’ny fifidianana ao anatin’ny fotoana fohy. Ary tsy azo atao tery vay manta koa ny fametrahana fototra matanjaka ho an’ny hoavin’ny firenena.
Tsara ihany ny maka lesona tamin’ny nitranga tatsy Cote d’Ivoire, tsy ny resaka adim-poko sy ady an-trano no tian-koresahana eto fa ny dingana narahana nahatongavana tamin’ilay fifidianana filoham-pirenena ny alahady lasa teo. Nilamina mantsy izy io, nazoto ny mpifidy, nahatratra 80% ny tahan’ny fandraisana anjara, tsy nisy ny resaka hala-bato ary nahavita an-tsakany sy an-davany ny asany ny komity misahana ny fifidianana. Natokisan’ny rehera satria tsy nitanila tamina kandida izatsy na izaroa ny governemanta. Tamin’ny 2005 no efa neritreretina nanatanterahana io fifidianana filohan’ny repoblika tany Cote D’Ivoire io , saingy ny 31 oktobra 2010, izany hoe dimy taona taty aoriana izany vao tanteraka. Tsy ny hazakazaka sy ny fandehanana mafy akory no inona fa ny fahatongavana soa aman-tsara any amin’ny toerana tokony haleha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.