Manahy ny Dr Rakotomalala Nirina fa tetika hanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny fikasana hanokatra indray ny zotram-piaramanidina mampitohy mivantana an’i Nosy-Be sy Parisy.
Tetikasa izay noresahan’ny minisitry ny fitaterana Ramanantsoa Benjamina sy ny Tale jeneralin’ny ASECNA, Amadou Ousmane, nandritra ny fandalovan’ity farany teto tamin’ny herinandro lasa iny. “Tsy ho afa-bela amin’ny mpanao kapain-tsy hita fery mihitsy isika raha izao”, hoy ny Dr Rakotomalala Nirina. Raha ny nambarany mantsy dia hiala avy any Farafangana amin’ny alalan’ny zotra anatiny ny volamena, ny emeraoda ary ny “alexandrite”, higadona ao Nosy Be ary miampita amin’ny zotra iraisam-pirenena mankany Eoropa avy hatrany. Tsy misy fisavana avokoa izany rehetra izany.
Raha ny filazany dia fanomanana mialoha ny fanatanterahana ilay tanjona ny fanaratsiana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar ka nampidirana ireo Airbus 340 roa eto amintsika . “Efa niseho teto io toe-javatra ahiany io tamin’ny fitondran’ny profesora Zafy raha nisolo toerana nandritra ny fe-potoana fohy ny Air Madagascar ny zotram-piaramanidina italianina iray”. Raisiny ho mpiray tsikombakomba amin’izay fikasana maizina izay ny Tale jeneralin’ny ASECNA izay nanome ny fahazoan-dalana hanaovana ilay fifanarahana. “Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha”, hoy hatrany Dr Rakotomalala Nirina mahitsy fitenenena ity. Mametra-panontaniana moa ny tenany raha tena tsy mahalala izany tetika ambadika hanaovana ampihimamba ny harem-pirenena izany ny Minisitry ny fitaterana Malagasy. “Rahoviana isika vao ho tonga saina ?”, hoy izy namarana ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.