Actualités

Zon’ny voafonja Tsy mbola voahaja eto Madagasikara


  • Alarobia 19 Jolay 2017

Tsy mbola voahaja ny zon’ny voafonja eto amintsika amin’ny ankapobeny.

 

 Ankoatra ny trano onenan’izy ireo dia anisan’ny olana ny fandraisana an-tanana sy ny fikarakarana azy ireny manomboka any amin’ny fakana am-bavany ka hatrany am-ponja. Mba hanajana ny zon’izy ireny dia nanamafy sy nampahafantatra ny zandarimariam-pirenena momba ny fanajana ny zon’olombelona, indrindra fa ireo  voafonja ho an’ireo voakasik’izany tetsy amin’ny DLC Anosy omaly ny komitin’ny Croix rouge  iraisam-pirenena. Borigadin’ny zandarimariam-pirenena miisa 650 sy zandary am-perinasa miisa 13.000 eto Antananarivo no ezahina hahazo tombontsoa ho fiarovana ny zon’ny voafonja. Zavatra efatra loha  no niompanan’ny fiofanana  toy ny  fomba fisamboran’olona, ny fakana am-bavany, indrindra ny fandraisana an-tanana ireo olona marefo toy ny  vehivavy sy ny ankizy hiharan’ny herisetra. Nampahafantarina koa ny andraikitra tokony horaisin’ny mpitandro ny filaminana manoloana sy aorian’ny fitsaram-bahoaka mety mitranga amina toerana iray izay tena nahazo vahana tokoa teto amintsika. Hisy moa ny famadihana izao lalàna momba ny zon’olombelona iraisam-pirenena izao amin’ny teny Malagasy ary ezahina hozaraina amin’ny zandarimariam-pirenena rehetra eto Madagasikara mba hahafahan’izy ireo manatontosa ny asany an-tsakany sy an-davany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT