Nomarihana ny alatsinainy 20 novambra toy ny isan-taona ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy hatramin’ny nanamarihana azy voalohany tamin’ny taona 1954 mba hanamafisana ny fanajana azy ireo sy ho fanajana ny zony.
Nanamarika izany toy ny firenen-drehetra maneran-tany isika teto Madagasikara. Ho an-dry zareo eny amin’ny Boriborintany faha-6 dia efa nialoha lalana izy ry zareo tamin’ny fanamarihana izany teo amin’ny fiainanana andavanandro, araka ny nambaran’ny depiote Rasoanoromalala Horace avy amin’ny antoko TIM, ka naompana tamin’ny lafin-javatra 3 niavaka tsara ny fanehoana ny fanajana ny zon’ny ankizy izany, hoy izy, ka voalohany dia nanehoana fa manana zo ny hianatra ny ankizy Malagasy ka dia nampiana ireo ray aman-dreny manampahasahiranana tamin’ny fampidirana ny zanany nianatra tamin’ny fandoavana ny saram-pidiran’izy ireo hianatra na eny amin’ny EPP na CEG hatramin’ny Lycée. Faharoa dia ny fanehoana fa manan-jo hanana fonenana madio ny ankizy ka izany no nanaovana ny fifaninanana « Fonenana Madio » natomboka ofisialy ny 11 novambra teo teny Anosisoa Ambohimanarina ka nandraisana mpifaninana 45 avy amin’ny fokontany 31 izay samy notolorana seau sy kifafa nanadiovana tanàna. Hetsika faha-3 dia ny fanehoana fa manan-jo hilalao toy ny namany rehetra ny ankizy ka nanohizana ny hetsika “Mitsinjo ny hoaviny” andiany faha-2 ary nanomezana ireo renim-pianakaviana maromaro ny Boaty vilany tany hitehirizana vola izay hovakiana amin’ny volana desambra 2017 ho avy izao hahafahan’izy ireo mividy kilalao ho an’ny zanany avy, amin’ny fetin’ny krismasy ho avy izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.