Tsikaritra tamin`iny herinandro lasa teo iny fa manomboka mipetraka ny kofehy mena hamantarana fa “zone rouge” ny faritra iray, indrindra manoloana ireny lapa-panjakana sy toby miaramila ireny.
Raha ara-teknika dia marika milaza ny atao hoe “defense ferme” ireny kofehy mena ireny ary fomba fiady iarovana ireo toby izay ahitana fitaovam-piadiana na zavatra hafa ahiana hipoaka. Fandaminana asa ve sa fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny zavatra hafahafa? Betsaka ihany mantsy ny resaka mandeha momba ny foloalindahy eto amintsika. Raha tsiahivina, tsy nisorona ny fanambarana izay notontosain’ny foloalindahy ny 2 mey 2018 manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny. Nohamafisin’ny mpitandro ny filaminana nandritra izany fanambarana izany ny mikasika ny toerana saropady izay hahitana ireo fananam-pirenena, fanana iombonana, fotodrafitrasa ambenan’ny mpitandro ny filaminana ary voafaritra manokana ho fiarovana amin’ny mety ho fanapotehana sy fandrobana, dia tsy azo hidirana na anaovana amboletra. Izay minia manao izany, hoy ny fanambarana, dia henjehin’ny andininy faha-91 hatramin’ny 101 sy ny andininy faha-327, 328, 329 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana malagasy. Nisy rahateo moa ny famoahana ireo mpiasam-panjakana teny anivon’ny minisitera tsirairay avy nataon`ireo mpanao fihetsiketsehana ireo ary manomboka mitombo isa ireo nanatevin-daharana azy ireo. Niely koa ny feo tamin`ny herinandro lasa teo fa hisy ny diabe ho any Iavoloha. Aiza tokoa ilay andraikitra horaisin`ny mpitandro ny filaminana? Sa kosa hiaro ny fitondram-panjakana indray? Toa lasa mahatoky tena mantsy ny fanjakana ka miverina indray ny amboletra ataon’ny filoham-pirenena tamin`ny nampanan-kery ireo lalàna fehizoro misahana ny fifidianana ny alin’ny zoma teo. Azo heverina fa fanaovana kopisoroka izany ataon`ny fanjakana izany ary miendrika ho fanaovana tsinontsinona ireo mpitolona eny amin`ny kianjan`ny 13 mey. Antenaina fa hafana ity herinandro ity ary andrasana amin`ny andraikitra raisin`ny foloalindahy manoloana ny fivoaran`ny toe-draharaham-pirenena. Na dia eo aza anefa ny olana maro be, tsy naharototra ireo tompon`andraikitra voalohany eto amin`ny firenena ny tokony hamahana haingana ny krizy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.