Actualités

Zon’ny sembana Mody fanina ny fanjakana


  • Alatsinainy 14 Septambra 2015

Na dia efa nosoniavina teny anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny volana desambra taona 2014 aza ny lalŕna mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara

 

 dia tsy mbola tontosa hatreto ny famoahana ny didy fampiharana izany sy ny fandraketana azy anaty bokim-panjakana. Vokany, mbola maro amin’ireo karazana zon’ny olona manana fahasembanana tokony hositrahan’izy ireny no tsy azony. Tafiditra ao anatin’izany ny fahazoany maimaimpoana ireny kiraro hahafahany mandeha ireny, ny fahazoany miasa malalaka araka ny diplaoma ananany, ny fahafahan’ny ankizy sembana miara-mianatra amin’ny ankizy tsy sembana… Manoloana izany dia mitaky ny hamoahan’ny fanjakana haingana izany ny fikambanam-behivavy AFHAM tarihin-dRazafinjato Fela. Nandritra ny famaranana ny fihaonambe notanterahin’izy ireo teto an-drenivohitra no nahafantarana izany. Ho an’ny fikambanana AFHAM manokana dia fantatra fa hiezaka hampitombo ny isan’ireo vehivavy sembana hahazo famatsiam-bola sy fiofanana arak’asa izy ireo ankoatra ny fanitarana ny fikambanana aty amin’ny ranomasimbe Indiana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT