Ho antsika eto Madagasikara dia ny CNaPS no napetraky ny lalŕna miahy ny Fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiasa ECD
na contractuel eny anivon’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaominina. Araka ny zava-misy anefa dia mbola vitsy dia vitsy ny mpiasa misitraka ny zo ara-tsosialy izay. Maro ny antony mahatonga izany. Ao ny tsy fahafantarana ny andinin-dalàna, ny tsy fahalalana ireo dingana tokony harahina. Sakana ihany koa ny tsy fananan’ny kaominina vola satria dia mahatratra 15 000 tapitrisa ariary ny trosan’ny vondrom bahoaka itsinjaram-pahefana tokony hefainy amin’ny CNaPS hatramin’izay. Nifanaiky ny CNaPS sy ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana fa hanome fiofanana ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy eny anivon’ireny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ireny mba tsy hahavery zo ny mpiasam-panjakana. Notontosaina teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny praiminisitra sy ny tale jeneralin’ny CNaPS. Haharitra roa andro ny fiofanana natokana ho an’ny kaominina, ka samy hahazo ny anjarany ny faritra 22 eto Madagasikara. Hanomboka anio talata 21 febroary ary hitohy rahampitso ny fiofanana ka ny faritra Bongolava no hisantarana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.