Tsy nanadino ireo olona sahirana ara-pivelomana sy marefo ny orinasam-pifandraisana Airtel rehefa fetin’ny Asramanitra tahaka izao.
Zokiolona miisa 100 sy sahirana ao amin’ny fokontany Ankazomanga Avaratra sy Andraharo no notoloran’izy ireo fanampiana andro vitsy lasa izay toy ny harona feno sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, notarihin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Ho an’ny fokontany Andraharo manokana dia nosafidian’ny orinasam-pifandraisana Airtel izy ireo mba ho fikolokoloana hatrany ny fihavanana Malagasy. Nisaotra sy nankasitraka tanteraka izao fihetsika nasehon’ny Airtel izao moa ny sefom-pokontany ao an-toerana. Mbola hitohy any amin’ny faritra ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.