Tena hiainana ny zo ara-panabeazana amin’ny taona 2030 no vontoatin’ny drafitra vaovaon’ny politika miaraka amin’ireo fepetram-panjakana volavolain’ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny. Anisan’ireo firenena 94 tsy nahatratra ny tanjona fampitoviana ny isan’ny zazalahy sy zazavavy hiditra an-tsekoly i Madagasikara talohan’ny taona 2005
. Niiba ho 75% ny tahan’ireo ankizy 6 hatramin’ny 10 taona tafiditra an-tsekoly fanabeazana fototra tamin’ny taona 2010 vokatry ny krizy raha 80% izany ny taona 2005. Nilatsaka hatrany amin’ny 15% ny tetibola natokana ho an’ny fanabeazam-bahoaka nanomboka tamin’ny taona 2009. Sakana iray goavana tsy mampandroso ny seha-panabeazana eto Madagasikara ny kalitao ambanin’ny fampianarana fototra. Tompon’andraikitra voalohany hanabe ny daholobe anefa ny mpitondra fanjakana, araka ny fifanarahana manerantany ahitana tanjona 6 mila tratrarina hatramin’ity taona 2015 ity izay nosoniavina tany Dakar ny taona 2000. Adidin’ny fiarahamonim-pirenena kosa ny mitaky fanazavana amin’ny mpitondra fanjakana tamin’ireo ezaka vita sy ireo antony nampandamoka ny paikady tao anatin’ny 15 taona ao anatin’ny fanamarihana ny «Herinandron’ny hetsika ara-panabeazana manerantany» ny 26 aprily hatramin’ny 2 mey 2015. Lohahevitry ny fankalazana moa ny hoe «Fidio ny Fanabeazana».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.