Zazavavy kely iray vao fito taona monja, taona faharoa (T2) zanaky ny ray aman-dreniny voalohany no naolan’ny rahalahin-drainy iray 26 taona miara-monina aminy ka simba tanteraka.
Tany amin’ny 35 km miala an’Antananarivo no nisehoan’ny tantara. Raha ny fanazavan’ny renin’ilay zaza dia efa fanintelony nataon’ilay dadatoany io zaza io vao nahatsikaritra izy ireo fa hafahafa ny toe-batany satria nibakabaka be izy. Rehefa nanontaniana anefa ilay zaza, araka ny fanazavany hatrany dia ora iray vao nety namaly ka nilaza fa ny rahalahin-drainy ihany no nanolana azy ary notampenana mafy ny vavany tamin’izany. Notambazana ariaryzato ihany koa ilay tsy manan-tsiny mba tsy hiteniteny. Ilay reniny rahateo nanamarika fa tsy tao an-trano nandritra ireo fotoana ireo fa nandeha niasa tany an-tsaha. Ny talata lasa teo vao fantatra ny marina. Nidodododo nanatona ny fikambanana HAFARI avy hatrany ny renin’ilay zaza. Ny fikambanana HAFARI avokoa no nitondra ilay zaza teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana sy teny amin’ny Centre Vonjy eny Befelatanana mba hanamarinana ny tena zava-nisy. Nitohy tamin’ny fanaovana fitsirihana ilay zaza ny hetsika nataon’ny HAFARI omaly, arahin’ny fakana mpisolovava ho azy ireo. Mangataka ny hanomezana sazy henjana ilay nahavanon-doza, araka izany, ny filoha nasionalin’ny fikambanana. Toraka izany koa ny hanomezan’ny fanjakana fiofanana ireo olona eny ifotony mba tsy hitotototoan’ireo fianakaviana any ambanivohitra lasibatry ny herisetra sy ny fanolanana tahaka izao. Miantso ireo olona afaka ny hanohana azy ihany koa ny fikambanana hahafahana mikarakara ity zaza ity na ara-môraly na ara-batana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.