Raha ny toy izao no mitohy dia potika tanteraka ny hoavin’ny ankizivavy izay lasa kely veta. Ankizivavy roa tsy ampy taona (14 sy 15 taona) izay mbola mpianatra no nanjavona tsy hita popoka ary tsy nody tany an-tranon’ny ray aman-dreniny nandritra ny 10 andro
. Rehefa tafaverina izy ireo, afak’omaly, vita ny sitrapon’ireto voatavo efa mifandraka ireto ka nofotorana dia nilaza fa nanaraka lehilahy sipany tany Saint-Augustin, kaominina iray 30 km atsimon’i Toliara.
Ankizy mpianatra mivaro-tena
Nilaza ny tsy hanaiky mora izao ny ray aman-dreniny fa hitory an’ireo tovolahy nitondra ny zanany. Nahagaga ny rehetra nanatrika anefa ny nilazan’ireto ankizivavy roa tsy ampy taona tsy voafehin’ny ray aman-dreniny ireto intsony, fa « raha gadrainareo izy roalahy sipanay ireto dia higadra hanaraka azy any izahay, satria tianay ireo ». Nangasihasy ireo ray aman-dreny menatra olona. Raha ny loharanom-baovao dia mitombo isa saika isan’andro ireo mpianatra mivaro-tena ao Toliara. Lasa entam-barotra ivelomana ny zazavavy tsy ampy taona.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.