Tsy fantatra izay loza nahazo an’ity mpitandro ny filaminana ity fa dia ny zana-badiny ihany no novadiany.
Tao anatin’ny roa taona no efa nanadalany io zazavavy io izay mbola 14 taona monja tamin’izany. Isam-bolana dia anontanian’ity ray keliny ity ilay zaza raha efa tonga ny fadim-bolana mba ahafahany manao firaisana ara-nofo aminy. Nitaraina tamin’ny reniny ilay zaza saingy tsy noraharahain’ity farany fa vono no niandry azy izay niafara tamin’ny fandroahana mihitsy. Nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana ny havan’ilay rangahy izay niteraka io zaza io. Tsy mbola hita ny tohiny hatramin’izao na dia efa tamin’ny taon-dasa aza no nametrahana ny fitoriana. Nilaza ny mpitsara fa miandry valin-teny avy aty an-drenivohitra vao afaka manapa-kevitra izy ireo satria tsy olon-tsotra no voarohirohy fa mpitandro ny filaminana ka sarotra ny handrasaina ny fepetra. Maro no tohina tamin’io fepetra nivoaka io fa tsy misy lalàna mamaritra hoe rehefa mpitandro ny filaminana no manao ny tsy mety dia tsy hiharan’ny lalàna. Manao antso avo amin’ny mpitondra ao Mahajanga ny fianakavian’io zazavavy kely voaolana io mba handray andrakitra amin’ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao azo dia miasa ao amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy io polisy nahavanon-doza io.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.